"Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo." - Mat. 28:19,20.
Mofon'aina;
Ny asa farany nataon'i Kristy talohan'ny nialany teto an-tany dia ny naniraka ireo ambasadaorony handeha ho any amin'izao tontolo izao hitory ny fahamarinany. Ny teniny farany dia natao hamantsika ao an-tsain)ny mpianatra fa nankinina tamin'izy ireo ny hitondra ny hafatry ny lanitra amin'izao tontolo izao. (...)
Raha fantatsika ny hafanam-po nentin'i Jesosy namafy ny voan'ny filazantsara teo amin'izao tontolo izao, dia hilofo tsy mety ho sasatra isika, izay miaina eo ankatoky ny fifaranan'ny fotoam-pahasoavana, mba hanomezana ny mofon'aina ho an'ireo fanahy efa ho faty. (...)
Miantso ny mambra tsirairain'ny fiangonana Andriamanitra mba hanompo Azy. Raha tsy iainana sy tsy zaraina amin'ny hafa ny fahamarinana, dia lefy ny heriny mamelona sy manasitrana. (...) Tokony ho misionera velona sy mavitrika ny fiangonana manontolo, izay miray hina ao anatin'ny firaisan-tsaina sy firindrana tanteraka. — RH, 29 Avrily 1909.
LaIan'ny lanitra ny hoe: araka ny andraisantsika no tsy maintsy anomezantsika koa. Tokony ho loharanon-tsoa ho an'ny hafa ny Kristianina, ary toy izany no andraisan'ny tenany soa koa. «Izay mandena dia mba holemana kosa» - Ohab. 11:25. Tsy teny fikasana tsotra fotsiny izany, fa lalan'ny fitantanan'Andriamanitra. Faniriany ny tsy hahatapaka ny fanaovan-tsoa amin'ny alalan'io lalana io, fa hikoriana lalandava toy ny rano ao amin'ny lalina indrindra, izay miverina mandrakariva any amin'ny loharanony. (...)
Tsy manana afa-tsy fotoanafohy isika hiomanana ho amin'ny mandrakizay. (...) Ilain'ny fikambanan'ny mpino ny hovelombelomin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Mila mianatra isika, manao drafitra, mitsinjara tsara ny fananantsika, ary mampiasa ny fomba rehetra araka izay azo atao mba hahafahana manatratra sy mitondra fitahiana ho an'ny olombelona mijaly sy ao anatin'ny tsy fahalalana. Tsy natao hotehirizintsika ho antsika samirery ny fahazavana nomen'Andriamanitra antsika amin'ny maha vahoakany antsika. Mila miasa mifanaraka amin'ilay iraka lehibe nankinina tamin'ny mpianatr'i Kristy tsirairay isika, dia ny hitondra ny fahazavan'ny fahamarinana amin'izao tontolo izao. -RH, 12 Aogositra 1909.