Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpanavotra antsika avy any an-danitra

Daty
Alakamisy 02 May 2024

 "(...) Izay, na dia nanana ny endrik 'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra." - Fil. 2:6.

Mofon'Aina:
Tsy nataon'i Jesôsy Kristy "ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra." Koa satria ny maha-Andriamanitra irery no mahomby amin'ny famerenana ny olombelona amin'ny laoniny taorian'ny kaikitra misy poizin'ny menarana, dia nandray ny toetry ny olombelona Andriamanitra tao amin'ny Zanany lahitokana. Ary tao amin'ny fahalemen'ny maha-olona no nihazonany ny toetran'Andriamanitra, ka niarovany ny Lalany masina tamin'ny fomba rehetra sy nandraisany ny famaizan'ny fahatezerana sy ny fahafatesana noho ny amin'ny zanak' olombelona. Fiheverana manao ahoana re izany! Ilay nanana firaisana tamin'ny Ray talohan'ny nahariana izao tontolo izao no mangoraka ity tontolo very sy simban'ny fandikan-dalana ity, ka nanolotra ny Ainy ho avotra hisolo azy. Izy ilay famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, ilay sary maneho Azy, no nitondra ny fahotantsika tao amin'ny Tenany teo amin'ny hazo, niaritra ny famaizana noho ny fandikan'ny olombelona lalana mandra-pahatonga ny rariny ho afa-po ka tsy nitaky zavatra hafa intsony. Endrey ny halehiben'ny fanavotana natao ho antsika! Lehibe loatra izany ka niatrika ny fahafatesana lozabe indrindra teo amin'ny hazo fijaliana Ilay Zanak'Andriamanitra mba hitondra fiainana sy tsy fahafatesana ho antsika amin'ny alalan'ny finoana Azy.

Tsy mety ho takatry ny olombelona ny maha-mpandala ny rariny an'Andriamanitra kanefa Izy mpanamarina ny mpanota. Mihamidadasika sy mihalalina izany ka tsy mety ho takatry ny fisainantsika arakaraka ny iezahantsika hanakatra azy. Rehefa mijery ny hazo fijalian'i Kalvary amin'ny mason'ny finoana isika, ary mahita ny fahotantsika eo amin'Ilay mihantona eo (...), rehefa takatsika fa Andriamanitra no eo, Ilay Ray mandrakizay, Ilay Andrianan'ny fiadanana, dia voatarika isika hihiaka hoe: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika" - 1 Jao. 3:1.

Rehefa hain'ny olombelona ny mamatra ny toetra ambonin'ilay Andriamanitra Tompon'ny maro sy ny manavaka ny maha-Andriamanitra mandrakizay Azy amin'ny maha-olona voafetra, izay vao ho fantany ny halehiben'ny sorona nataon'ny Lanitra mba hampiarenana ny taranak'olombelona hiala eo amin'izay nahalavoany (...) ho tonga ankohonan'Andriamanitra. (...) Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy no antoka ho an' ny fiainana mandrakizay. (...) Izy, ilay Mpitondra ny fahotan'izao tontolo izao, no hany mpanelanelana mba hampihavanana antsika amin'ilay Andriamanitra masina. - TMK, t. 35. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal