Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpanavotra antsika avy any an-danitra

Daty
Alakamisy 02 May 2024

 "(...) Izay, na dia nanana ny endrik 'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra." - Fil. 2:6.

Mofon'Aina:
Tsy nataon'i Jesôsy Kristy "ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra." Koa satria ny maha-Andriamanitra irery no mahomby amin'ny famerenana ny olombelona amin'ny laoniny taorian'ny kaikitra misy poizin'ny menarana, dia nandray ny toetry ny olombelona Andriamanitra tao amin'ny Zanany lahitokana. Ary tao amin'ny fahalemen'ny maha-olona no nihazonany ny toetran'Andriamanitra, ka niarovany ny Lalany masina tamin'ny fomba rehetra sy nandraisany ny famaizan'ny fahatezerana sy ny fahafatesana noho ny amin'ny zanak' olombelona. Fiheverana manao ahoana re izany! Ilay nanana firaisana tamin'ny Ray talohan'ny nahariana izao tontolo izao no mangoraka ity tontolo very sy simban'ny fandikan-dalana ity, ka nanolotra ny Ainy ho avotra hisolo azy. Izy ilay famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, ilay sary maneho Azy, no nitondra ny fahotantsika tao amin'ny Tenany teo amin'ny hazo, niaritra ny famaizana noho ny fandikan'ny olombelona lalana mandra-pahatonga ny rariny ho afa-po ka tsy nitaky zavatra hafa intsony. Endrey ny halehiben'ny fanavotana natao ho antsika! Lehibe loatra izany ka niatrika ny fahafatesana lozabe indrindra teo amin'ny hazo fijaliana Ilay Zanak'Andriamanitra mba hitondra fiainana sy tsy fahafatesana ho antsika amin'ny alalan'ny finoana Azy.

Tsy mety ho takatry ny olombelona ny maha-mpandala ny rariny an'Andriamanitra kanefa Izy mpanamarina ny mpanota. Mihamidadasika sy mihalalina izany ka tsy mety ho takatry ny fisainantsika arakaraka ny iezahantsika hanakatra azy. Rehefa mijery ny hazo fijalian'i Kalvary amin'ny mason'ny finoana isika, ary mahita ny fahotantsika eo amin'Ilay mihantona eo (...), rehefa takatsika fa Andriamanitra no eo, Ilay Ray mandrakizay, Ilay Andrianan'ny fiadanana, dia voatarika isika hihiaka hoe: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika" - 1 Jao. 3:1.

Rehefa hain'ny olombelona ny mamatra ny toetra ambonin'ilay Andriamanitra Tompon'ny maro sy ny manavaka ny maha-Andriamanitra mandrakizay Azy amin'ny maha-olona voafetra, izay vao ho fantany ny halehiben'ny sorona nataon'ny Lanitra mba hampiarenana ny taranak'olombelona hiala eo amin'izay nahalavoany (...) ho tonga ankohonan'Andriamanitra. (...) Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy no antoka ho an' ny fiainana mandrakizay. (...) Izy, ilay Mpitondra ny fahotan'izao tontolo izao, no hany mpanelanelana mba hampihavanana antsika amin'ilay Andriamanitra masina. - TMK, t. 35. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal