Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fahatongavan'ilay Mpananatra

Daty
Talata 14 May 2024

"Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." - Jao. 14:16,17.

Mofon'Aina:
Efa hody any amin'ny lapan'ny lanitra i Kristy, kanefa nanome toky ireo mpianany Izy fa handefa ny Mpampahery ho azy ireo, izay hitoetra eo Aminy mandrakariva. Azon'ny rehetra atao ny mitoky tsy am-pisalasalana amin'ny fitarihan'io Mpampahery io. Izy no Fanahin'ny fahamarinana; saingy fahamarinana tsy hitan'izao tontolo izao no sady tsy raisiny izany. (...)

Fanirian' i Kristy ny hahatakaran' ireo mpianany fa tsy hamela azy ireo ho kamboty Izy. "Tsy hamela anareo ho kamboty Aho," hoy Izy, "hankaty Aminareo Aho" - Jao. 14:18,19. (...) Endrey izany toky sarobidy sy be voninahitra momba ny fiainana mandrakizay! (... )

Miantefa amintsika, amin'ny alalan' ny tenin'ireo mpianatr'i Jesôsy, ny zavatra nambarany tamin'izy ireo. Sady antsika no azy ireo Ilay Mpampahery (...) ao anatin' ny fahoriana sy ny alahelo rehetra, rehefa toy ny manjombona izay jerena ary mahavery hevitra ny hoavy ka mahatsiaro ho miraviravy tanana sy manirery isika. Hisy ny fotoana izay hanirahana ny Mpampahery ho valin'ny vavaka natao tamim-pinoana.

Tsy misy mpampahery toa an'i Kristy; malemy fanahy sy marina tokoa Izy. Mahakasika Azy ny fahatsapana ny fahalementsika. Miteny amin'ny fontsika ny Fanahiny. Mety hampisaraka antsika amin'ireo namantsika ny toe-javatra samihafa; mety hanelanelana azy ireo amintsika ny ranomasimbe midadasika sy manonja be. (...) Saingy tsy misy toe-javatra, na elanelan-tany, afaka mampisaraka antsika amin ' ilay Mpampahery avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza mety halehantsika, dia eo mandrakariva Izy, Ilay nomena hisolo ny toeran'i Kristy, mba hiasa eo amin'ny toerany. Eo ankavanantsika mandrakariva Izy, mba hanao teny mampitony sy feno halemem-panahy, mba hanohana sy hamelona ary hampahery antsika. (...) Miasa ao amin'ireo izay mandray an'i Kristy io Fanahy io, ary miasa amin'ny alalan'izy ireo koa (...). - TMK, t. 171. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal