Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fahatongavan'ilay Mpananatra

Daty
Talata 14 May 2024

"Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." - Jao. 14:16,17.

Mofon'Aina:
Efa hody any amin'ny lapan'ny lanitra i Kristy, kanefa nanome toky ireo mpianany Izy fa handefa ny Mpampahery ho azy ireo, izay hitoetra eo Aminy mandrakariva. Azon'ny rehetra atao ny mitoky tsy am-pisalasalana amin'ny fitarihan'io Mpampahery io. Izy no Fanahin'ny fahamarinana; saingy fahamarinana tsy hitan'izao tontolo izao no sady tsy raisiny izany. (...)

Fanirian' i Kristy ny hahatakaran' ireo mpianany fa tsy hamela azy ireo ho kamboty Izy. "Tsy hamela anareo ho kamboty Aho," hoy Izy, "hankaty Aminareo Aho" - Jao. 14:18,19. (...) Endrey izany toky sarobidy sy be voninahitra momba ny fiainana mandrakizay! (... )

Miantefa amintsika, amin'ny alalan' ny tenin'ireo mpianatr'i Jesôsy, ny zavatra nambarany tamin'izy ireo. Sady antsika no azy ireo Ilay Mpampahery (...) ao anatin' ny fahoriana sy ny alahelo rehetra, rehefa toy ny manjombona izay jerena ary mahavery hevitra ny hoavy ka mahatsiaro ho miraviravy tanana sy manirery isika. Hisy ny fotoana izay hanirahana ny Mpampahery ho valin'ny vavaka natao tamim-pinoana.

Tsy misy mpampahery toa an'i Kristy; malemy fanahy sy marina tokoa Izy. Mahakasika Azy ny fahatsapana ny fahalementsika. Miteny amin'ny fontsika ny Fanahiny. Mety hampisaraka antsika amin'ireo namantsika ny toe-javatra samihafa; mety hanelanelana azy ireo amintsika ny ranomasimbe midadasika sy manonja be. (...) Saingy tsy misy toe-javatra, na elanelan-tany, afaka mampisaraka antsika amin ' ilay Mpampahery avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza mety halehantsika, dia eo mandrakariva Izy, Ilay nomena hisolo ny toeran'i Kristy, mba hiasa eo amin'ny toerany. Eo ankavanantsika mandrakariva Izy, mba hanao teny mampitony sy feno halemem-panahy, mba hanohana sy hamelona ary hampahery antsika. (...) Miasa ao amin'ireo izay mandray an'i Kristy io Fanahy io, ary miasa amin'ny alalan'izy ireo koa (...). - TMK, t. 171. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal