Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifanampy mba handroso

Daty
Alarobia 15 May 2024

"Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany." - Rôm. 15:1.

Mofon'Aina:
Tsy tian'Andriamanitra ny hipetrahantsika eo amin'ny sezan'ny mpitsara ka hifam-pitsarantsika. (...) Rehefa mahita fahadisoana eo amin'ny hafa isika dia aoka hotsaroantsika fa mety ratsy kokoa noho izany aza ny helotsika eo imason'Andriamanitra raha oharina amin'ny an’ny rahalahintsika izay melohintsika. Aoka tsy hampibaribary ny fahalemeny isika fa hangataka amin'Andriamanitra mba hitahy sy hanampy azy handresy ny tsy mety ataony. Ankasitrahan'i Kristy izany toe-tsaina sy fihetsika izany, ary hanokatra lalana ho anao Izy mba hanaovanao tenim-pahendrena izay hanome hery sy hanampy ireo malemy amin'ny finoana.

Voatahy ny fifanampiana izay atao ao amin'ny finoana masina indrindra, fa ny fandravana kosa dia asa feno fangidiana sy fahoriana. Miray fo amin'ireo zanany mijaly i Kristy, satria hoy Izy hoe: "Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko." - Mat. 25:40. (...) Ny fo tsirairay dia manana ny fahoriany sy ny fahadisoam-panantenany, ka tokony hokatsahintsika izay hanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa amin'ny fanehoana ny fitiavan' i Jesôsy amin'ireo manodidina antsika (...).

Aoka isika tsy hijery ny fahalemen'ny hafa fa hanombana ny fahadisoantsika. Izao no fanontaniana tokony hapetraky ny tsirairay: moa ve mihavana amin'Andriamanitra ny foko? Moa ve izao ataoko izao manome voninahitra an'ilay Raiko any an-danitra? Raha nikolokolo toe-tsaina ratsy ianao, aoka izany hofoanana tsy ho ao amin'ny fanahy. Adidinao ny manongotra hatramin'ny fakany tsy ho ao am-ponao ny zavatra rehetra mandoto. Tokony hofongorana ny fangidiana rehetra raha tsy izany dia hosimban'ny hery miasa mangina ratsy avy aminy ny hafa. Aza avela hitoetra ao amin'ny sahan'ny fo ny zava-maniry misy poizina. Ongoty isan'ora izany, ary voleo ho solony ny fitiavana. Aoka i Jesôsy hitoetra ao amin'ny fanahy. I Kristy no ohatra ho antsika. Nandeha mba hanao soa Izy, ary velona mba ho fitahiana ho an'ny hafa. Ny fitiavana no nanome endrika kanto sy nanandratra ny Asany rehetra, ary omena baiko mba hanaraka ny dian-tongony isika. -TMK, t. 187. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal