Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifanampy mba handroso

Daty
Alarobia 15 May 2024

"Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany." - Rôm. 15:1.

Mofon'Aina:
Tsy tian'Andriamanitra ny hipetrahantsika eo amin'ny sezan'ny mpitsara ka hifam-pitsarantsika. (...) Rehefa mahita fahadisoana eo amin'ny hafa isika dia aoka hotsaroantsika fa mety ratsy kokoa noho izany aza ny helotsika eo imason'Andriamanitra raha oharina amin'ny an’ny rahalahintsika izay melohintsika. Aoka tsy hampibaribary ny fahalemeny isika fa hangataka amin'Andriamanitra mba hitahy sy hanampy azy handresy ny tsy mety ataony. Ankasitrahan'i Kristy izany toe-tsaina sy fihetsika izany, ary hanokatra lalana ho anao Izy mba hanaovanao tenim-pahendrena izay hanome hery sy hanampy ireo malemy amin'ny finoana.

Voatahy ny fifanampiana izay atao ao amin'ny finoana masina indrindra, fa ny fandravana kosa dia asa feno fangidiana sy fahoriana. Miray fo amin'ireo zanany mijaly i Kristy, satria hoy Izy hoe: "Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko." - Mat. 25:40. (...) Ny fo tsirairay dia manana ny fahoriany sy ny fahadisoam-panantenany, ka tokony hokatsahintsika izay hanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa amin'ny fanehoana ny fitiavan' i Jesôsy amin'ireo manodidina antsika (...).

Aoka isika tsy hijery ny fahalemen'ny hafa fa hanombana ny fahadisoantsika. Izao no fanontaniana tokony hapetraky ny tsirairay: moa ve mihavana amin'Andriamanitra ny foko? Moa ve izao ataoko izao manome voninahitra an'ilay Raiko any an-danitra? Raha nikolokolo toe-tsaina ratsy ianao, aoka izany hofoanana tsy ho ao amin'ny fanahy. Adidinao ny manongotra hatramin'ny fakany tsy ho ao am-ponao ny zavatra rehetra mandoto. Tokony hofongorana ny fangidiana rehetra raha tsy izany dia hosimban'ny hery miasa mangina ratsy avy aminy ny hafa. Aza avela hitoetra ao amin'ny sahan'ny fo ny zava-maniry misy poizina. Ongoty isan'ora izany, ary voleo ho solony ny fitiavana. Aoka i Jesôsy hitoetra ao amin'ny fanahy. I Kristy no ohatra ho antsika. Nandeha mba hanao soa Izy, ary velona mba ho fitahiana ho an'ny hafa. Ny fitiavana no nanome endrika kanto sy nanandratra ny Asany rehetra, ary omena baiko mba hanaraka ny dian-tongony isika. -TMK, t. 187. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal