Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenon'ny fahafenoany

Daty
Alatsinainy 27 May 2024

 "Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra." - Efes. 3:19.

Mofon’Aina:    
Maro no mieritreritra fa tsy azo atao ny mandositra ny herin'ny fahotana, kanefa ny fampanantenana dia ny hamenoana antsika amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. Ambany loatra ny fikendrentsika kanefa avo dia avo ny marika tokony hotratrarina. Tokony hivelatra ny saintsika, mba hahatakarantsika ny hevitry ny fiahian'Andriamanitra. Tokony hitaratra ny toetra ambony indrindra ananan'Andriamanitra isika. Tokony ho velom-pisaorana isika fa tsy navela handeha amin'ny herintsika manokana. Fenitra ambony tokony hotratrarintsika ny Ialàn'Andriamanitra. (...) Tsy tokony handeha araka ny fiheverantsika manokana isika (...) fa hanaraka ny dian-tongotr'i Kristy.

Eo an-tanantsika ny fandresena kanefa tsy handresy amin'ny anarantsika manokana isika na ny herintsika, satria tsy haintsika ny hitandrina ny lalàn'Andriamanitra amin'ny herintsika. Tsy maintsy manampy antsika amin'ny fahalementsika ny Fanahin'Andriamanitra. Efa tonga fanatitra sy antoka ho antsika i Kristy. Tonga ota ho antsika Izy mba hahatonga antsika ho fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy. Amin'ny finoana ny Anarany no ampitafiany antsika ny Fahamarinany ka tonga fitsipika velona eo amin'ny fiainantsika izany. (...)

Ampitafian' i Kristy antsika ny toetrany tsy manana ota ary amin'ny fahadiovany no itondrany antsika eo amin'ny Ray. Tsy haintsika ny hanana ny akanjom-pahamarinana amin'ny herintsika, satria hoy ny mpaminany hoe: "tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay" - Isa. 64:5.

Tsy manana na inona na inona azo atafy ny fanahintsika isika mba tsy hisehoan'ny fitanjahantsika. Tsy maintsy mandray ny akanjom-pahamarinana notenomina tany amin'ny fanenoman'ny lanitra isika, dia ilay akanjom-pahamarinan'i Kristy izay tsy misy pentina. Izao no tokony holazaintsika: "Efa maty ho ahy Izy. Nitondra ny fahafaham-baraka nahazo ahy Izy, mba ho tonga mpandresy noho ny Anarany aho ary hasandratra ho eo amin'ny seza fiandrianany." 
Tombontsoa ho an'ny zanak'Andriamanitra ny ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. "Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesôsy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay." - Efes. 3:20,21 - TMK, t. 302. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal