Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenon'ny fahafenoany

Daty
Alatsinainy 27 May 2024

 "Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra." - Efes. 3:19.

Mofon’Aina:    
Maro no mieritreritra fa tsy azo atao ny mandositra ny herin'ny fahotana, kanefa ny fampanantenana dia ny hamenoana antsika amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. Ambany loatra ny fikendrentsika kanefa avo dia avo ny marika tokony hotratrarina. Tokony hivelatra ny saintsika, mba hahatakarantsika ny hevitry ny fiahian'Andriamanitra. Tokony hitaratra ny toetra ambony indrindra ananan'Andriamanitra isika. Tokony ho velom-pisaorana isika fa tsy navela handeha amin'ny herintsika manokana. Fenitra ambony tokony hotratrarintsika ny Ialàn'Andriamanitra. (...) Tsy tokony handeha araka ny fiheverantsika manokana isika (...) fa hanaraka ny dian-tongotr'i Kristy.

Eo an-tanantsika ny fandresena kanefa tsy handresy amin'ny anarantsika manokana isika na ny herintsika, satria tsy haintsika ny hitandrina ny lalàn'Andriamanitra amin'ny herintsika. Tsy maintsy manampy antsika amin'ny fahalementsika ny Fanahin'Andriamanitra. Efa tonga fanatitra sy antoka ho antsika i Kristy. Tonga ota ho antsika Izy mba hahatonga antsika ho fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy. Amin'ny finoana ny Anarany no ampitafiany antsika ny Fahamarinany ka tonga fitsipika velona eo amin'ny fiainantsika izany. (...)

Ampitafian' i Kristy antsika ny toetrany tsy manana ota ary amin'ny fahadiovany no itondrany antsika eo amin'ny Ray. Tsy haintsika ny hanana ny akanjom-pahamarinana amin'ny herintsika, satria hoy ny mpaminany hoe: "tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay" - Isa. 64:5.

Tsy manana na inona na inona azo atafy ny fanahintsika isika mba tsy hisehoan'ny fitanjahantsika. Tsy maintsy mandray ny akanjom-pahamarinana notenomina tany amin'ny fanenoman'ny lanitra isika, dia ilay akanjom-pahamarinan'i Kristy izay tsy misy pentina. Izao no tokony holazaintsika: "Efa maty ho ahy Izy. Nitondra ny fahafaham-baraka nahazo ahy Izy, mba ho tonga mpandresy noho ny Anarany aho ary hasandratra ho eo amin'ny seza fiandrianany." 
Tombontsoa ho an'ny zanak'Andriamanitra ny ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. "Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesôsy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay." - Efes. 3:20,21 - TMK, t. 302. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal