Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny olona sambatra indrindra

Daty
Alarobia 05 June 2024

 "Hampahafantatra ahy ny làlan'aina Hianao; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay. " - Sal. 16:11. 

 Mofon'Aina
Aza mihevitra fa rehefa miaraka amin'i Jesôsy ianao dia tsy maintsy ho maloka ny dianao. Ireo izay matoky an'i Jesôsy sy mankato amim-pifaliana ny baikony no olona sambatra indrindra eto an-tany. Lavitry ny fiainan'izay manaraka Azy ny savorovoro sy ny fahasorenana. (...) Mety ho tojo fitsapana sy zava-tsarotra izy ireo, saingy feno fifaliana ny fiainany satria miaraka aminy eo anilany i Kristy, ary ny fanatrehany no manazava ny lalany (...).

 Fenoy fiderana an'Andriamanitra eo am-bavanao raha vao mifoha maraina, ary raha mivoaka ny trano ianao dia mivavaka hahazoanao ny fanampian'Andriamanitra (...) Afantohy amin'ny Mpamonjy ny sainao. Mialà amin'ny rotoroton' izao tontolo izao ka mitoera eo ambanin'ny alok'i Kristy. (...) Hihavao ny herinao. Tena ilaintsika tokoa ny mipetraka mba hisaintsaina ny fomba nidinan'ny Mpamonjy avy any an-danitra, avy eo amin'ny seza fiandrianany, mba hampiseho amin'ny olombelona ny zava-dehibe mety ho vitany raha manaiky hanakambana ny fahalemeny amin'ny heriny izy ireo. Rehefa nahazo hery vaovao avy amin'ny firaisana amin'Andriamanitra isika dia afaka mandroso amim-pifaliana, sady midera Azy noho ny tombontsoa ahafahantsika mitondra ny fahazavan'i Kristy eo amin'ny fiainan'izay rehetra mifanerasera amintsika.

 (...) Ny tafiky ny lanitra dia maniry hiara-miasa amin'ny olombelona, hahazoany maneho amin'izao tontolo izao izay mety ho toetran'ny olombelona rehefa miray amin'Andriamanitra ny maha-olombelona. Ireo izay manokana ny tenany sy ny fanahiny ary ny sainy ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia hohavaozina mandrakariva ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. (...) Miasa amin'ny heriny rehetra ny Fanahy Masina eo amin'ny saina sy ny fo. Noho ny fahalemen-toetra sy ny tsy finoantsika dia mety hihevitra isika fa tsy mety ho azo ny fandresena, kanefa noho ny fahasoavana dia afaka mandresy isika.

 Na iza na iza manolo-tena hanompo ny Tompo, ka mahafoy ny zavatra rehetra, dia omena hery hahatrarany fahombiazana tsy hita fetra. — HP, t. 62. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal