Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asan'ny finoana

Daty
Alatsinainy 10 June 2024

"Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. 

Mofon'aina:
Tsy ny finoana no fototry ny famonjena antsika, kanefa fitahiana lehibe kosa izy - maso mahita, sofina mandre, tongotra mamindra, ary tanana mihazona. Fitaovana ny finoana fa tsy tanjona farany. Raha nanolotra ny ainy ho famonjena ny mpanota i Kristy, nahoana moa aho no tsy handray izany fitahiana izany? Ny finoako no mihazona izany, ary amin'izany ny finoako no fahatokiako ny amin'ny zavatra antenaiko, fanehoana ny zavatra tsy hita. (...) 

Amin'ny alalan'ny finoana, io ilay finoana mahavonjy (...), ny fanahin'ny olona no manolo-tena tanteraka hofehezin'i Jesôsy Kristy. Mitoetra ao amin'i Kristy izy ary i Kristy mitoetra ao amin'ny fanahiny amin'ny finoana, sy manapaka ao. Apetrak'ilay mpino eo an-tanan'Andriamanitra ny tenany sy ny fanahiny, ary afaka milaza amin-toky izy hoe: «Hain'i Kristy ny mitahiry izay napetrako Taminy ho amin'ilay andro iray.» Ho voavonjy mandrakizay izay rehetra manao izany. Misy toky ho an'ny fanahy izay voasasan'ny ran'i Kristy sy voatafy amin'ny fahamarinany ary sarobidy eo imason'i Jesôsy.

Tadidio fa anisan'ny fomba fanamafisana ny finoana ny fampiasana azy. Raha mipetraka lalandava ianao ka tsy mihetsika mihitsy, dia halemy ny hozatrao, ary ny rantsam-batanao ho osa ka tsy ho afa-mihetsika intsony. Marina koa izany eo amin'ny fanandramana ara-pivavahana. Tsy maintsy mino ireo teny fikasan'Andriamanitra ianao. (...) 

Tena zava-dehibe indrindra ho antsika ny manao izay hahatonga ny fanahintsika ho voahodidin'ny rivo-piainan'ny finoana. Manapa-kevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay isika isan'andro, miankina amin'ny rivo-piainana manodidina antsika. Samy hampamoahina isika tsirairay ny amin'izay asehontsika amin'ny hafa, fa misy vokany tsy hitantsika maso ny teny sy ny asa ataontsika. Raha ho namonjy an'i Sôdôma Andriamanitra noho ny fisian'ny olona folo marina, ho tsara hanao ahoana re ny vokatra raha ny vahoakan'Andriamanitra, dia izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy, no mahatoky sy mitafy ny fahamarinany e? — HP, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal