Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ohatra ho antsika amin'ny fankatoavana

Daty
Alarobia 12 June 2024

"Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; 'Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. - 1 Pet. 2:21,22. 

Mofon'aina:
Mazava eo anatrehantsika ny tombontsoa mahagagan'ny fahafahantsika ho tonga tahaka an'i Kristy — mpankatò ny foto-kevitra rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia tsy ho vitantsika velively ny ho tonga tahaka Azy. Avy amin'i Kristy avokoa izay tsara rehetra ao amin'ny olona. Ny fahamasinana lazain'ny Soratra Masina fa tsy maintsy ananantsika mba hahazoana mamonjy antsika dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny fifehezan'ny herin'ny Fanahin'ny fahamarinana isika.

Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavan'ny olona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay mahatonga ny asam-pankatoavana marina rehetra ho feno hanitra masina. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny mitozo amin'ny fialana amin'ny ota tsirairay. Mila mivavaka mandrakariva amin'ny Mpamonjy izy mba hanasitrana ny fanahiny marary. Tsy manana fahendrena sy hery handresena izy fa ny Tompo no manana, ary omeny izay rehetra mangata-bonjy Aminy amim-panetren-tena sy fo torotoro izany.

Asa maharitra sy mitohy ny fanovana ny tsy masina ho masina. Miasa isan'andro ho fanamasinana ny olona Andriamanitra, ary ny olona kosa mila miara-miasa Aminy amin'ny fanaovana ezaka amim-paharetana, amin'ny fikolokoloana fahazarana tsara.

 Mihoatra noho izay faniriany ambony indrindra no omen'Andriamanitra izay matoky Azy. Tiany ho fantatsika fa rehefa manetry tena sy torotoro fo isika dia eo indrindra Izy no afaka maneho ny Tenany amintsika. Mahafaly Azy ny fitanisantsika ny famindrampony sy ny fitahiany tamin'ny lasa ho antony tokony handrotsahany fitahiana lehibe kokoa amintsika. Omem-boninahitra Izy rehefa tia Azy isika ka manambara ny fitiavantsika Azy marina amin'ny alalan' ny fitandremantsika ny didiny. Omem-boninahitra izy rehefa atokantsika ho masina ny andro fahafito. Ho an'izay manao izany, (...) hoy Andriamanitra, ny Sabata dia "ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehôvah no manamasina azy." — Ezek. 20:12. Ny atao hoe fanamasinana dia fahazarana mifandray amin'Andriamanitra. Tsy misy zava-dehibe sy mahery toy ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany. — HP, t. 129. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal