Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanabeazana ambony indrindra

Daty
Alakamisy 13 June 2024

"Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana." - Ohab. 3:13.

Mofon'aina:
Ny fahatahorana an'i Jehôvah no fiandoham-pahendrena, ary ny olona manaiky hovolavolaina sy hotefena araka ny endrik'Andriamanitra no mendrika indrindra amin'ny asan'ny tanan'Andriamanitra. (...)

 Ny fahalalana ny fahamasinana avy amin'ny fanandramana iainana, amin'ny alalan'ny fanoloran-tena ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra isan' andro no miantoka ny fanabeazana ambony indrindra ho an'ny saina sy ny fanahy ary ny tena. (...) Rehefa miezaka amin'ny fo marina isika mikatsaka fahendrena, ka manao izay fara-fahaizantsika hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hanampiana ny namantsika, dia omen'Andriamanitra antsika ny heriny. Avy amin'Andriamanitra avokoa ireny fahaizana ireny fa tsy avy amintsika; talenta nomen'Andriamanitra mba hampiasaintsika ho fanompoana Azy no tokony handraisantsika izany.

Tokony horaisina ho fahefana ambony kokoa mifehy ny tena ny saina sy ny fahaizana nomen'ny lanitra azy. Mila alefitra eo ambanin'ny fifehezan'ny eritreritra sy ny faharesen-dahatra ara-panahy ny fironana sy ny filana ao anatintsika. 

Tsy mba mampitotongana izay mandray azy velively ny fivavahan'i Jesôsy Kristy, na mahatonga azy ho ratsy na henjam-piteny, na tsy hahalala fomba, na hanandra-tena, na ho mora tezitra, na ho mafy fo. Ny mifanohitra amin' izany, mahatonga ny olona hanana fironana tsara izany, manamasina ny fandanjalanjan'ny sainy, manadio sy manao izay mahamendrika ny fieritreretany amin'ny famaboana azy ho an'i Jesôsy Kristy.

Ambony lavitra noho izay mety hiheveran'ny olona azy ny idealin'Andriamanitra ho an'ny zanany. Nomen'Ilay Andriamanitra velona ao amin'ny lalàny ny fanehoana mazava ny toetrany. I Jesôsy no mpampianatra lehibe indrindra, ary tsy misy toa Azy eran'izao tontolo izao. Ary inona ny fenitra natao hotratrarin'izay rehetra mino Azy? "Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan 'ny Rainareo Izay any an-danitra. " —Mat. 5:48. (...) Ny toetra tahaka ny an'i Kristy no idealin'ny toetra kristianina. Misy lalana mitondra ho amin'ny fandrosoana tsy mitsahatra misokatra eo anoloantsika. Manan-tanjona sy fenitra hotratrarina isika, dia izay tsara sy madio sy mendrika ary ambony. Aoka hisy ezaka mitohy sy maharitra handrosoana ho amin'ny fahatanterahan-toetra. — HP, t. 141. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal