Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanabeazana ambony indrindra

Daty
Alakamisy 13 June 2024

"Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana." - Ohab. 3:13.

Mofon'aina:
Ny fahatahorana an'i Jehôvah no fiandoham-pahendrena, ary ny olona manaiky hovolavolaina sy hotefena araka ny endrik'Andriamanitra no mendrika indrindra amin'ny asan'ny tanan'Andriamanitra. (...)

 Ny fahalalana ny fahamasinana avy amin'ny fanandramana iainana, amin'ny alalan'ny fanoloran-tena ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra isan' andro no miantoka ny fanabeazana ambony indrindra ho an'ny saina sy ny fanahy ary ny tena. (...) Rehefa miezaka amin'ny fo marina isika mikatsaka fahendrena, ka manao izay fara-fahaizantsika hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hanampiana ny namantsika, dia omen'Andriamanitra antsika ny heriny. Avy amin'Andriamanitra avokoa ireny fahaizana ireny fa tsy avy amintsika; talenta nomen'Andriamanitra mba hampiasaintsika ho fanompoana Azy no tokony handraisantsika izany.

Tokony horaisina ho fahefana ambony kokoa mifehy ny tena ny saina sy ny fahaizana nomen'ny lanitra azy. Mila alefitra eo ambanin'ny fifehezan'ny eritreritra sy ny faharesen-dahatra ara-panahy ny fironana sy ny filana ao anatintsika. 

Tsy mba mampitotongana izay mandray azy velively ny fivavahan'i Jesôsy Kristy, na mahatonga azy ho ratsy na henjam-piteny, na tsy hahalala fomba, na hanandra-tena, na ho mora tezitra, na ho mafy fo. Ny mifanohitra amin' izany, mahatonga ny olona hanana fironana tsara izany, manamasina ny fandanjalanjan'ny sainy, manadio sy manao izay mahamendrika ny fieritreretany amin'ny famaboana azy ho an'i Jesôsy Kristy.

Ambony lavitra noho izay mety hiheveran'ny olona azy ny idealin'Andriamanitra ho an'ny zanany. Nomen'Ilay Andriamanitra velona ao amin'ny lalàny ny fanehoana mazava ny toetrany. I Jesôsy no mpampianatra lehibe indrindra, ary tsy misy toa Azy eran'izao tontolo izao. Ary inona ny fenitra natao hotratrarin'izay rehetra mino Azy? "Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan 'ny Rainareo Izay any an-danitra. " —Mat. 5:48. (...) Ny toetra tahaka ny an'i Kristy no idealin'ny toetra kristianina. Misy lalana mitondra ho amin'ny fandrosoana tsy mitsahatra misokatra eo anoloantsika. Manan-tanjona sy fenitra hotratrarina isika, dia izay tsara sy madio sy mendrika ary ambony. Aoka hisy ezaka mitohy sy maharitra handrosoana ho amin'ny fahatanterahan-toetra. — HP, t. 141. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal