Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Teny mamy sy feno fanajana

Daty
Alahady 16 June 2024

 "Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, . eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. " - Isa. 50:4. 

Mofon'aina:
Diniho i Kristy sy ny fiainany teto an-tany; tokony ho toa Azy ny Kristianina tsirairay. Izy no Ohatra ho antsika, tsy noho ny amin'ny fahadiovany tsy misy pentina ihany, fa noho ny amin'ny faharetany, ny fahatsaram-panahiny, ny toe-tsainy miabo. Mafy orina toy ny vatolampy Izy rehefa ny fahamarinana sy ny adidy no resahina, kanefa be fitiavana sy feno fanajana hatrany Izy. (...) Rivo-piainana madio no nentin'ny fanatrehany tao an-tokantrano, ary ny fiainany dia toy ny masirasira miasa amin'ireo singa ao amin'ny fiarahamonina. Feno fitiavana sy tsy nanan-tsiny Izy raha nandeha teo anivon'ireo olona tsy miraika, ratsy fanahy, tsy manaja, ireo mpamory hetra tsy marina, ireo Samaritana tsy hendry, ireo miaramila mpanompo sampy, ireo tantsaha henjan-toetra, sy ireo olona maro hafa.

Nanao teny mamy tetsy sy teroa Izy raha nahita ireo olona trotraka sy noterena hitondra enta-mavesatra. Nanampy nitondra ny entan'ireo Izy ary namerimberina taminy ireo lesona voarainy tamin'ny alalan'ny zavaboary, ny amin'ny fitiavana, ny fahamoram-panahy, ary ny fahatsaran'Andriamanitra. Nanao izay hanomezana fanantenana an' ireo izay mafy fo sy mahantra Izy, ka nitondra toky ho azy ireo fa mety ho tonga tsy manan-tsiny sy malemy fanahy izy ireo, dia hanana toetra toy ny an'ny zanak' Andriamanitra (...). Niara-nisakafo tamin'ny mpamory hetra toy ny vahiny manan-kaja Izy; nasehony tamin'ny fangorahana sy ny fitiava-namana fa fantany tsara ny tombam-bidin'ny maha-olona, ary naniry fatratra ny ho mendrika ny fitokiany ny olona. Nitondra hery feno aina sy fitahiana ho an'ny fanahin'ireo noana ny Teniny. Nisy ainga vao tao amin'izy ireo, ary hitan'ireto olona nailikiliky ny fiarahamonina ireto fa mbola azo atao ny manantena fiainam-baovao.

Manalefaka izay rehetra henjana sy miridiridy ao amin'ny toetra ny fivavahan'i Jesôsy, ary manalama izay rehetra mikitoantoana sy maranidranitra amin'ny fomba amam-pihetsika. (...) Ny Kristianina malemy fanahy sy feno fanajana no fitaovana mahery vaika sy mahomby indrindra ho fampandrosoana ny filazantsara. — HP, t. 181. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal