Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velomy mandrakariva ny fitiavana

Daty
Talata 18 June 2024

"Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy." - Kôl. 3:18,19. 

Mofon’aina:
Maro be ny olana sy ny fahoriana ho voasoroka raha kolokoloin'ny lehilahy sy ny vehivavy hatrany ny fifampiheverana, ny fifampitsinjovana, ny teny mamy feno fankasitrahana, ny fifanajana amin'ny zavatra madinidinika eo amin'ny fiainana, izay mamelona ny fitiavana. Hita fa nilaina koa izany teo amin'ny fitadiava-namana tiana niarahana. Raha mitozo amin'izany fifampiheverana mikolokolo fitiavana izany ny mpivady dia ho sambatra eo amin'ny fiarahamonina misy azy tsirairay avy, ary hanana hery miasa mangina eo amin'ny fianakaviany. Ho feno fahasambarana ny tontolo kelin'izy ireo ary tsy haniry hiala ao amin'izany tontolo izany izy mba hitady fitiavana hafa (...).

Maro dia maro ny vehivavy manantena hahazo tambitamby sy teny mamy, ary fanehoam-pitiavana madinidinika avy amin'ny vadiny izay nifidy azy ho namana mandra-maty. (...) Ireny mari-pitiavana madinidinika ireny no mitondra fahasambarana eo amin'ny fiainana. (...) 

Raha mba mitoetra ho malefaka mandrakariva ny fontsika ao an-tokantrano, raha mba fifandeferana sy fifampihainoana amim-pitiavana no asetrintsika ny fanehoan-kevitra sy ny fomba fijerin'ny ankilany, raha mba miezaka ny vehivavy mitady izay fomba hanehoana fitiavana amin'ny vadiny, ary ny lehilahy koa toraka izany amin'ny vadiny, dia hiampita amin' ireo zanany izany toe-tsaina izany. (...)

Ny lahy sy vavy, izay miara-dia eo amin'ny fiainana, dia tokony samy hanao ny fomba rehetra hahasambatra ny anankiray. Izay sarobidy amintsika no arovantsika sy kolokolointsika hihatsara hatrany araka izay azo atao. Nisy fifanakalozana natao sy fanoloran-tena ho mandritra ny fiainana tao anatin'ny fifanekena ara-panambadiana, koa tokony hiezaka araka izay tratra ny lahy sy ny vavy hifehy ny lelany andrao manao teny tsy am-piheverana na feno fahasorenana. Mihoatra noho ny talohan'ny fanambadiana aza ny ezaka tokony hataony satria efa nampiraisin'ny fanambadiana mandritra ny fiainana izy ireo izao, ary na ny lahy na ny vavy dia samy tokony hikely aina mba hitehirizana ny fitiavana ho vao hatrany, dia ilay fitiavana sarobidy nokatsahina fatratra talohan'ny fanambadiana. HP, t. 206. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal