Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tohan-kevitra mahomby indrindra

Daty
Alarobia 26 June 2024

 "Izaho dia Izaho ihany no Jehôvah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. (..) Dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah , ary Izaho no Andriamanitra." - Isa. 43:11,12. 

Mofon’aina:
Hoy ny Tompo amin'ireo mpanara-dia Azy marina: "Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy." — and. 21. Izy ireo no vavolombeloko, nofidiko hisolo tena Ahy eo amin'izao tontolo izao mpikomy. (...) Miantso antsika hiara-miasa Aminy Andriamanitra, ary rariny sy mitombina ny fangatahany (...). Matoa misalotra ny anaran'i Kristy isika dia manaiky hisolo tena Azy. Mba ho marina ny fanolorantsika tena, dia tsy maintsy ao anatintsika i Kristy, Ilay fanantenana ny voninahitra. Tsy maintsy mitovy bebe kokoa hatrany amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainantsika isan'andro. Tsy maintsy Kristianina amin'ny asa sy ny fahamarinana isika. (...) Ireo izay tena Kristianina marina ihany no harahabain'i Kristy tonga soa any an-danitra. Ny fiainan'ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy miaina araka ny fiainan'i Kristy dia manala baraka ny fivavahana.

Tsy mangataka ny hanaovantsika sorona lehibe Andriamanitra mba hahazoantsika ny fankasitrahany. Ny hany angatahiny dia fanompoana avy amin'ny fo torotoro sy manetry tena, izay manaiky amim-pifaliana sy fisaorana ny fanomezany maimaimpoana. (...)

Azonao an-tsaina ve ny tombam-bidinao eo imason'Andriamanitra? Hoy Izy, mpiara-miasa Amiko ianao. Mamela ny fahazavanao hamirapiratra eo amin'izao tontolo izao lavo ve ianao? Miezaka mampiasa ny fahaizanao rehetra sy ny herinao rehetra izay nomen'Andriamanitra anao ve ianao? Mety tsy ho mpitandrina ianao, saingy azonao atao ny mijoro ho vavolombelona. Mety tsy ho mpandaha-teny mahay ianao, saingy ny fiainanao ao amin'i Kristy sy ny famelanao ny fahazavanao hamirapiratra eo imason'ny olona dia efa mitory zavatra betsaka.

Ny Kristianina marina sy maha-te ho tia no tohan-kevitra mahomby indrindra manohana ny fahamarinan'ny Baiboly. Izany olona izany no solontenan'i Kristy. Ny fiainany no porofo mandresy Iahatra indrindra ny amin'ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Rehefa manana ny fahamarinan'i Kristy eo amin'ny fiainany isan'andro ny vahoakan'Andriamanitra, dia hiova fo ny mpanota ary fandresena maro no ho azo amin'ny ady atao amin'ny fahavalo. HP, t. 318.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal