Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa fiomanana

Daty
Zoma 28 June 2024

 "Ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesôsy Kristy." -Fil. 1:6. 

Mofon’aina:
Misy asa fiomanana lehibe tsy maintsy ataon'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito raha tian'izy ireo ny ho tafajoro amin'ilay fotoam-pitsapana efa antomotra. Raha mitoetra ho mahatoky amin' Andriamanitra ao anatin'ny fikororohana sy ny fakam-panahin'ny andro farany izy ireo dia tsy maintsy mangataka fahendrena amin'Andriamanitra amin'ny fo manetry tena, mba hahatohitra ny famitahana ataon'ny fahavalo (...).

Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa ho avy tsy ho ela ny Tompo, ka hahatsapa tena ny tsirairay ny amin'ny asa tokony mbola hovitainy. Mila manohitra ireo fironana ratsy ao anatintsika isika (...) miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina. Toy izany no anomanantsika ny fontsika handray ny fitahian'Andriamanitra, (...) ka hahatonga ny fiainantsika hifandrindra amin'ny finoana an'i Jesôsy. Tombontsoa lehibe maro no natolotra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ho amin'io asa fiomanana io, tamin'ny alalan'ny fahazavana sy ireo hafatra fampitandremana ary torolalana nomena azy, izay niarnpita taminy tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Mitombo hery ny fakam-panahin'i Satana; izany no mahatonga izao androntsika izao ho feno loza ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Mila mianatra mandrakariva amin'Ilay Mpampianatra lehibe isika mba handeha eo amin'ny lala-marina sy azo antoka isaky ny indray mandingana.

Misy toe-javatra mahagaga maro miseho eo anoloantsika, ary amin'izao fotoana izao no tokony ho epistily velona ny fiainan'ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra mba ho hitan'ny olona rehetra fa amin'izao andro izay anjakan'ny faharatsiana izao dia mbola misy olona mampilefitra ny sitrapony ka mikatsaka hanao ny sitrapon'Andriamanitra — olona manana ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pony sy eo amin'ny fiainany. Misy fakam-panahy lehibe sy fizahan-toetra mahamay miandry antsika. Mila miomana ho amin'io fotoam-pitsapana io ny vahoakan'Andriamanitra mitandrina ny didiny, amin'ny alalan'ny fifankazarana lalina kokoa amin'ny zava-panahy sy ny fampiharana ny fahalalana ny fahamarinan'i Kristy eo amin'ny fiainany (...). Tsy ho an'ny tsy mpino ihany no ilazana ity teny ity fa ho an'ny mambran'ny fiangonana ihany koa: "Mitadiava an'i Jehôvah , dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy." — Isa. 55:6. — HP, t. 347. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal