Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa fiomanana

Daty
Zoma 28 June 2024

 "Ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesôsy Kristy." -Fil. 1:6. 

Mofon’aina:
Misy asa fiomanana lehibe tsy maintsy ataon'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito raha tian'izy ireo ny ho tafajoro amin'ilay fotoam-pitsapana efa antomotra. Raha mitoetra ho mahatoky amin' Andriamanitra ao anatin'ny fikororohana sy ny fakam-panahin'ny andro farany izy ireo dia tsy maintsy mangataka fahendrena amin'Andriamanitra amin'ny fo manetry tena, mba hahatohitra ny famitahana ataon'ny fahavalo (...).

Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa ho avy tsy ho ela ny Tompo, ka hahatsapa tena ny tsirairay ny amin'ny asa tokony mbola hovitainy. Mila manohitra ireo fironana ratsy ao anatintsika isika (...) miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina. Toy izany no anomanantsika ny fontsika handray ny fitahian'Andriamanitra, (...) ka hahatonga ny fiainantsika hifandrindra amin'ny finoana an'i Jesôsy. Tombontsoa lehibe maro no natolotra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ho amin'io asa fiomanana io, tamin'ny alalan'ny fahazavana sy ireo hafatra fampitandremana ary torolalana nomena azy, izay niarnpita taminy tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Mitombo hery ny fakam-panahin'i Satana; izany no mahatonga izao androntsika izao ho feno loza ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Mila mianatra mandrakariva amin'Ilay Mpampianatra lehibe isika mba handeha eo amin'ny lala-marina sy azo antoka isaky ny indray mandingana.

Misy toe-javatra mahagaga maro miseho eo anoloantsika, ary amin'izao fotoana izao no tokony ho epistily velona ny fiainan'ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra mba ho hitan'ny olona rehetra fa amin'izao andro izay anjakan'ny faharatsiana izao dia mbola misy olona mampilefitra ny sitrapony ka mikatsaka hanao ny sitrapon'Andriamanitra — olona manana ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pony sy eo amin'ny fiainany. Misy fakam-panahy lehibe sy fizahan-toetra mahamay miandry antsika. Mila miomana ho amin'io fotoam-pitsapana io ny vahoakan'Andriamanitra mitandrina ny didiny, amin'ny alalan'ny fifankazarana lalina kokoa amin'ny zava-panahy sy ny fampiharana ny fahalalana ny fahamarinan'i Kristy eo amin'ny fiainany (...). Tsy ho an'ny tsy mpino ihany no ilazana ity teny ity fa ho an'ny mambran'ny fiangonana ihany koa: "Mitadiava an'i Jehôvah , dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy." — Isa. 55:6. — HP, t. 347. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal