Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZA NO IANKOHOFANTSIKA?

Daty
Talata 18 June 2024

Amin'ny andro farany, dia hiseho amin'ny fomba manaitra ny fifanandrinana lehibe mahakasika ny fiankohofana. Moa ve isika miankohoka amin'ny Mpamorona, sa miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny? Tsy misy ny eo anelanelan'ireo. Mananatra ny lehilahy sy ny vehivavy ny anjely voalohany ao amin'ny Apôk. 14, manao hoe: "(...) miankohoka eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano."- and. 7. Ho fanohanana be kokoa ny antso ataon'ny lanitra, dia asehon'ilay anjely fahatelo ireo vokatra mahatsiravina ateraky ny fiankohofana amin'ny bibidia: "(...) dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra"- Apôk. 14:10. Etsy ankilan'izany, ireo izay miankohoka amin'ny Mpamorona dia voalaza fa mitandrina "ny didinAndriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ."- Apôk.. 14:12.

Ny famoronana no fototry ny fiankohofana marina (Apôk.. 4:11). Koa satria Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy (Efes. 3:9, NKJV), dia halan'i Satana ny Mpamorona ka nanao izay hanovana ny Sabata -ilay tsangambaton'ny Famoronana- tamin'ny alalan'ireo fahefana eto an-tany izy (Dan. 7:25). Mifantoka amin'ny fahefana ny fifanandrinana ho avy izay momba ny lalàn'Andriamanitra. Raha azon'i Satana atao ny manafoana ny fiankohofana amin'ny andro Sabata dia hanambara izy fa lehibe noho ny fahefana ananan'Andriamanitra ny fahefany. Mba hahatanterahany izany dia ataony izay handresena lahatra na hanerena an'izao tontolo izao manontolo mba hanaiky ny Sabata sandoka.

Na dia sarotra aza ny mahita ny fitrangan'izany, araka izay efa nomarihintsika tany aloha, dia misy fiovana lehibe eto amin'izao tontolo izao. Nasehon'ny fotoan-tsarotra nisian'ny COVID-19 antsika fa tao anatin'ny indray mipi-maso dia niova tanteraka izao tontolo izao. Na dia tsy fantatsika aza ireo tsipirian-javatra mitarika ho amin'ny mariky ny bibidia dia tsy sarotra loatra ny maka sary an-tsaina izany. Miovaova izao tontolo izao, ary eo anatrehan'ny teknolojia mahatalanjona izay misy ankehitriny, dia ho haingana mihoatra noho izay azontsika saintsainina amin'izao fotoana izao ny hisehoan'ny zavatra izay nampitandreman'ny Baiboly.

Vakio ny Apôk. 13:13-17. Inona ny famaizana manokana atao amin'ireo izay tsy mandray ny mariky ny bibidia?

Ireo izay mahatoky amin’i Kristy ka tsy manaraka ny bibidia sy ny sariny dia hiatrika famaizana ara-ekonomika sy fandrahonana ho faty. Mijanona amin'ny toetrany hatrizay ny taranak'olombelona: ratsy fitondran-tena, tia fahefana fatratra ary mpampiasa herisetra. Na dia tsy fantatsika tsara aza ny fomba hisehoan'ireo toe-javatry ny andro farany dia tsy sarotra ny maka sary an-tsaina ny fanenjehana hiseho any am-parany. Nosoratana tao anatin'ny tontolon-kevitra samy hafa tanteraka amin'izany ireto tenin'i Jaona ireto, kanefa mahalaza azy tanteraka. Raha niresaka momba an'i Jesôsy i Jaona dia nanoratra fa "tsy nitady olona hanambara olona lzy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona."- Jao. 2:25.

Eritrereto ny faharatsian'ny taranak'olombelona sy ny faharatsiana izay sahin'ny olona atao. Nahoana izany no maneho fa mora tokoa ny hahatongavan'ireo toe-javatry ny andro farany? Ary ny zava-dehibe kokoa noho izany, inona no tokony hampianarin’izany zava-misy mahonena izany antsika momba ny tokony hitandremantsika ny fontsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal