Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILAZANTSARA NOTORIN'I JESÔSY

Daty
Alakamisy 04 July 2024

Vakio ny Mar. 1:14, 15. Inona ireo fizarana telo ao amin'ny hafatry ny filazantsara notorin'i Jesôsy ?

Fintinin'i Marka toy izao ny hafatra nentin'i Jesôsy, İzay tsotra sy mivantana:

Fizarana                                                                               Hafatra 

Fotoana ara-paminaniana                    Efa tonga ny fotoana.

Teny fikasan'ny fanekena                     Efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra.

 Antso ho tonga mpianatra                  Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. 

Ny fotoana ara-paminaniana resahin'i Jesôsy eto dia ny amin'ny 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27. Tanteraka teo amin'ny batisan'i Jesôsy io faminaniana io, izay nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina sy nanombohany ny asany (Asa. 10:38). Aseho eto amin'ity kisary manaraka ity io faminaniana mahagaga momba ny 70 herinandro io:

Image removed.

Ny andro iray dia taona iray ao amin'ny faminaniana (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Nanomboka tamin'ny taona 457 TIK ny faminaniana, niaraka tamin'ny didy navoakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, momba ny famitana ny asa fanamboarana an'i Jerosalema (jereo ny Ezra 7).

Tonga hatreo amin'ny taona 27 Trk ireo 69 herinandro ara-paminaniana; io no fotoana nanaovana batisa an'i Jesôsy ka nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina hanombohany ny asany. Telo taona sy tapany taorian'io no nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana.

Farany, tonga tamin'ny fahafenoany ny 70 herinandro tamin'ny taona 34 TrK, rehefa notoraham-bato i Stefana, ka nanomboka nitodika tany amin'ny Jentilisa, sy ny Jiosy koa, ny fitoriana ny hafatry ny Filazantsara.

Oviana ny nandinihanao farany ny faminaniana momba ny 70 herinandro? Raha takatrao izany, ahoana no ampitomboan'izany ny finoanao, tsy ny finoanao an'i Jesôsy ihany fa ny maha-azo antoka ny teny faminaniana koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal