Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahita izay tsy hita.

Daty
Alatsinainy 08 July 2024

« Finoana no nandaozany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka: fa naharitra toy ny mahita izay tsy hita izy. »Heb. 11:27.

Mofon’aina:    
Nanana fahatsapana lalina ny fanatrehan’Andriamanitra i Mosesy. Nijery lavitra nahatsinjo ny fotoana hahatongavan’i Kristy amin’ny nofo izy, ary koa nahita an’i Kristy tamin’ny fomba manokana nitari-dalana ny Zanak’Isiraely tamin’ny diany rehetra. Zava-misy ho azy Andriamanitra, nibahana mandrakariva tao an-tsainy. Raha notoherin’ny olona izy, na niatrika loza sy nizaka fanaratsiana noho ny amin’i Kristy, dia nozakainy tsy tamim-pihambahambana izany.

Ninoan’i Mosesy fa Andriamanitra no nilainy sy afaka hanampy azy. Ho azy dia teo anilany nanohana azy tamin’ny fotoana rehetra Andriamanitra. (...) Tsapan’i Mosesy tamin’ny fanandramana niainany fa Andriamanitra dia mamaly soa izay mazoto mitady Azy.

Nanana fiheverana manokana ny valisoa avy amin’Andriamanitra izy. Indro lohahevitra iray momba ny finoana izay mendrika hohadihadintsika: Andriamanitra dia hamaly soa ny olona mino sy mankato. Raha iainana eo amin’ny fanandramam-piainana ny finoana dia hahazaka fitsapana ny olona izay matahotra an’Andriamanitra sy tia Azy. Feno fahatokiana i Mosesy satria nanana finoana velona. Nila fanampiana izy ka nangataka izany tamim-bavaka, dia nandray izany, ary nampidiriny tamin’ny fanandramany ny finoana fa niahy azy Andriamanitra. Nino izy fa Andriamanitra no nanapaka ny fiainany manokana. Nahita sy nanaiky an’Andriamanitra izy tamin’ny tsipiriam-piainany rehetra ary tsapany fa nijery azy Ilay mahita ny zavatra rehetra, izay mamantatra ny antony manosika sy ny miafina ao am-po. Nibanjina an’Andriamanitra izy ary natoky Azy mba handraisany hery handehanany tsy misy pentina mamakivaky ny fakam-panahy amin’ny endriny rehetra (...) Ampy hiatrehany ny toe-javatra sarotra indrindra mety hatrehin’olombelona ny fanatrehan’Andriamanitra.    

Tsy hoe nisaintsaina fotsiny momba an’ Andriamanitra i Mosesy. Fahitana teo anoloany mandrakariva Andriamanitra; tsy niala teo imasony na oviana na oviana ny endrik’Andriamanitra. Nahita an’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny izy ary nino fa nisaina ho azy ny fahamarinan’ny Mpamonjy. Tsy toy ny fanaovana anjoanjo no fiheveran’i Mosesy ny finoana, fa tena zava-misy. Finoana toy izany no ilaintsika, finoana mahazaka fisedrana. Impiry impiry moa isika no resin’ny fakam-panahy satria tsy maharitra mifantoka amin’i Jesosy ny fijerintsika! – CC, t. 85.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal