Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba tokana hahazoana fandresena.

Daty
Alakamisy 11 July 2024

« Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao hianao sady hambinina. »Jos. 1:8. 

Mofon’aina:   
Rehefa mandeha eo amin’ny lalana izay nosoritan’Andriamanitra ho azy ny olona, dia hahita mpanolo-tsaina izay manana ny fahendrena ambony lavitra noho ny fahendren’olombelona izy. I Josoa dia mpitari-tafika hendry satria Jehovah no mpitarika azy. Ny sabatra voalohany nampiasainy dia ny sabatry ny fanahy, Tenin’Andriamanitra (...)

Izany no niseho satria ny hery miasa mangina lehibe indrindra dia tsy maintsy nitarika ny filamatry ny fahamarinana ka ny Tompo tao amin’ny famindram-pony no niaro azy tsy hivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Tsy maintsy nanaraka ny lalan’ny fahatokiana hentitra izy ... Raha tsy nisy loza teo anoloan’i Josoa, dia tsy ho nataon’Andriamanitra ho ilay be herim-po izy. Kanefa teny an-dalana rehetra, dia nanana an’Andriamanitra nitarika azy i Josoa.

Tsy misy zava-doza mihoatra noho ny fiheveran’ny olona fa rehefa misy zava-tsarotra dia afaka mahita mpitarika hafa noho Andriamanitra izy, izay mpanolo-tsaina Hendry Indrindra amin’ny loza tampoka, mpiaro mahery amin’ny fisehoan-javatra rehetra (...)

Manana asa lehibe tanterahina eto amin’ity tontolontsika ity ny Tompo. Ho an’ny olona rehetra no nanolorany ny asany mba hotanterahina, saingy tsy azo atao ny manao olona ho mpitarika olona, andrao ho voafitaka izy eo amin’ny toerana tsy azo antoka. Rehefa miseho eo amin’ny filamatry ny asa sy ny fanompoana ny fivavahana ara-Baiboly dia miseho avy hatrany ny filana fahendrena isan’andro avy amin’Ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra. Inona no fandresen’i Josoa? Tsy maintsy mandinika ny Soratra Masina andro aman’alina. Tonga tamin’i Josoa ny tenin’i Jehôvah talohan’ny nitana an’i Jordana (...)

Ireo izay eo amin’ny toeran’ny mpanolo-tsaina dia tsy maintsy ho olona tsy tia tena, olon’ny finoana, olon’ny vavaka, olona izay tsy sahy mametraka ny fitokiany eo amin’ny fahendren’olombelona, fa mitady mandrakariva fahazavana sy fahaizana toy ny fikatsahana izay tsara indrindra hampandroso ny asany. I Josoa ilay mpitarika ny Isiraely dia nitady fatratra ireo boky izay nanoratan’i Mosesy tamim-pahatokiana ny tari-dalana rehetra avy tamin’Andriamanitra, ireo zavatra takiny, fananarana sy torolalana (...) Raha tsy izany dia ho nizotra tsy nisy mpanoro hevitra izy. – CC, t. 116.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal