Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehibe sy kely mifanara-tsaina

Daty
Sabotsy 13 July 2024

« Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehôvah teo anatrehan’i Ely. » 1 Sam. 3:1. 

Mofon’aina :    
Raha mbola tanora i Samoela, fony izy naterina mba hanao asa fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia efa nanana andraikitra sahady hotanterahiny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, araka izay fahafahany. (...)

Raha ampianarina ny zanaka mba handray ireo andraikiny isan’andro ho toy ny taranja voatendrin’Andriamanitra ho azy, izany hoe fianarana izay tokony hifotorany mba hahazoany manao fanompoana mahatoky sy mahomby, dia ho hita mahafinaritra kokoa sy be voninahitra lavitra ny asa izay ataony. Ny fanatontosana ny adidy rehetra toy ny ho an’ny Tompo dia mahatonga ny asa ambany indrindra ho feno fahatsarana, ary mampifandray ny mpiasa eto an-tany amin’ireo voary masina izay manao ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra.

Hatramin’ny fahazazany dia fiainam-pahamasinana sy fanoloran-tena ny fiainan’i Samoela. Napetraka teo ambany fiahian’i Ely izy tamin’ny fahatanorany, ary ny toetrany maha-te ho tia dia nambabo ny fon’ilay mpisorona efa antitra. Tsara fanahy izy, nalala-tanana, nazoto, nankatô, ary feno fanajana. Tena niharihary tokoa ny fifanoherana teo amin’ny fitondran-tenan’i Samoela tamin’ny fahatanorany sy ny an’ireo zanaka lahy naterak’ilay mpisorona, ary dia nahatsapa fiadanana sy fahatoniana ary fitahiana i Ely niaraka tamin’ity zaza nankinina taminy ity. Tsy dia nahazatra loatra izany hoe, i Ely, mpitsara lehiben’ny firenena, sy ity zaza tsotra ity, no mpinamana tsy mifankafoy tokoa. Tia manampy sy be fitiavana i Samoela, ary tsy mbola nisy ray tia zanaka mihoatra noho ny fitiavan’i Ely ity tanora ity. Rehefa nihaosa noho ny fahanterana i Ely dia tena nahakivy azy fatratra ny fitondran-tenan’ireto zanany lahy izay sahisahy ratsy sady feno fahadalana ireto, koa dia nitodika tany amin’i Samoela izy mba hahazo fampaherezana sy fanampiana.

Manohina ny fo tokoa ny mahita tanora mifanohana amin’ny efa antitra; ilay tanora miandrandra torohevitra sy fahendrena avy amin’ilay antitra, ary ity farany kosa miankina amin’ilay tanora hahazo fanampiana sy fiaraha-miory. Izany mihitsy no tokony ho izy. Tian’Andriamanitra raha ny tanora no manana toetra tsara toy izany mba hahitany fifaliana amin’ny finamanana amin’ny efa fotsy volo, mba hahatonga azy ireo ho tafaray amin’ny fatoram-pitiavana feno fitsinjovana ireo izay efa toy ny hazo amoron-tevana. – CC, t. 144.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal