Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpaminany tsy mankatò

Daty
Sabotsy 20 July 2024

"Mitsangana, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. "- Jona 1:2.

Mofon'ana:   
Raha niharatsy ny tao Ninive, dia tsy hoe azon'ny faharatsiana tanteraka tsy akory. Izy izay "mijery ny zanak'olombelona rehetra" - Sal. 33:13 (...) dia nahita tao amin'ity tanàna ity olona maro izay mikendry ny tsara sy ambony kokoa hatrany (...) Niseho tamin'izy ireo Andriamanitra tamin'ny fomba tsy mety diso mba hitarika azy ho amin'ny fibebahana.    

I Jona no fitaovana voafidy ho amin'izany asa izany. Raha mba mpaminany nankatò tsy misy fanontaniana mantsy izy dia ho nieren' ireo fanandramana mangidy ary ho nahazo fitahiana mitafotafo. Na dia tao anatin' ireo oran'ny fahakiviana aza dia tsy nanary azy Andriamanitra. Tamin' ny alalan'ireo fisedrana mitohitohy sy ny fitsimbinana mahagaga no natao hiainana indray ireo fiankinan'ny mpaminany tamin'Andriamanitra sy ireo Heriny tsy hita lany (...)  

Nasaina nitondra fampitandremana ho an'i Ninive indray mandeha indray ilay mpanompon ' Andriamanitra. Rehefa niditra tao an-tanana ary i Jona, dia nanomboka amin'izay nihiaka nitory ny hafatra hoe: "rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive". Nitety ny lalana rehetra izy nitsoka ny feon'ny fampitandremana..

Tsy very maina  ilay hafatra. Ilay antsoantso re teny an-dalana tao amin' ity tanàna tsy nisy an'Andriamanitra ity dia niampita avy amin'ny vava iray ho amin'ny vava hafa mandra-pandren'ny olona rehetra izany. Nanaparitaka ity hafatra ity tao amin'ny fo rehetra ny Fanahin'Andriamanitra ka niteraka fangovitana tao amin'ny rehetra noho ireo fahotana vita mba hibebaka tamin'ny fanetren-tena tokoa (...) Nosakanana ny loza tokony hanjo azy ireo, noderaina sy nomem-boninahitra Téo anivon'ny jentilisa Ilay Andriamanitr’Isiraely, ary nomena fanajana ny Lalàny. Taona maro taty aoriana indray vao azon'ny fitaoman'ireo firenena hafa noho ny fanadinoana an'Andriamanitra sy noho ny fireharehany i Ninive ( ...)

Ho an'ny mpitondra hafatr'Andriamanitra ankehitriny ny lesona, rehefa misy tanàna eo anivon'ny firenena iray mila fahalalana marina tokoa momba ny toetra sy sitrapon'Andriamanitra, toa an'i Ninive fahizay Ny tanana izay haharitra dia izay naorina sy nataon'Andriamanitra ihany (...) Jesôsy Tompo dia miantso lehilahy sy vehivavy hanao ezaka amin'ny alalan'ny faniriana marina hiaro ilay lova tsy mety ritra. - CC, t. 230.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal