Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an’ny tena manokana mihintsy

Daty
Zoma 26 July 2024

"Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho." - Mat. 9:21

Mofon'aina:

Vehivavy mahantra no nanao ireo teny ireo - vehivavy izay nijaly nandritra ny roa ambin'ny folo taona noho ny aretina izay nahatonga ny fiainany ho enta-mavesatra. Efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpitsabo sy ny fanafody izy, nefa dia ny hoe tsy azo sitranina ihany no azony tamin'izany. Rehefa nandre kosa ny amin'Ilay Mpanasitrana Lehibe izy, dia velona ny fanantenany. (...) Impiry impiry izy no efa niezaka nanatona Azy fa tsy nahomby.

Efa nanomboka namoy fo izy raha indro, fa nanavatsava tao anaty vahoaka i Jesôsy, ka tonga tea akaikin'ny nisy azy. (...) Tsy afaka niteny taminy izy anefa noho ny korontana, ary tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny nijery indray mitopy maso ny endriny fotsiny. (...) Raha nandalo i Jesôsy dia naninjitra ny tanany ravehivavy ka afaka nikasika kely ny sisin'akanjony. Ary tamin'izay fotoana izay anefa dia fantany fa sitrana izy. Nangoniny tao arnin'io fanendreny ny fitafiany io ny finoan'ny fiainany, ka avy hatrany dia nisolo toerana ny fanaintainany sy ny faharerahany ny tanjaka avy arnin'ny fahasalamana tanteraka.

Feno fankasitrahana ny fony ary niezaka amin'izay izy hiala amin'ny vahoaka; nefa nijanona tampoka i Jesôsy (...) Hain'ny Mpamonjy ny manavaka ny fanendrena avy amin'ny finoana sy ny fikasohana kisendrasendra eo amin'ny vahoaka tsy mihevitra izany. Ny fahatokiana toy izany dia tsy avelany handeha fotsiny amin'izao. (...) Hitan-dravehivavy fa tsy afaka miafina izy, ka nanatona tamim-pangovitana ary niankohoka teo an-tongony. Tamin'ny ranomaso nitory fankasitrahana no nilazany ny tantaran'ny fahoriany sy ny fomba nahitany fanasitranana. Niteny moramora i Jesôsy hoe: "Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao, mandehana soaman-tsara" — Mar. 5:34. Tsy tian'i Jesôsy hotohanana ny finoanoam-poana amin'ny hoe fahasitranana azo avy amin'ny fikasihana ny fitafiany fotsiny. Ny fahasitranana dia tsy azo avy amin'ny fikasohana ivelany Aminy, fa amin'ny alalan'ny finoana izay mamikitra ny herin'Andriamanitra.

Toy izany koa eo amin'ny zavatra ara-panahy. Tsy misy antony ny miresaka fivavahana amin'ny fomba kisendrasendra, ny mivavaka tsy misy hetahetam-panahy sy finoana velona. Ny finoana anarany fotsiny an'i Kristy, izay manaiky Azy fotsiny ho Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia tsy hitondra fanasitranana ho an'ny fanahy mihitsy. (...) Tsy ampy ny mino ny amin'i Kristy; tsy maintsy mino Azy mihitsy isika. Ny hany finoana izay hitondra tombon-tsoa ho antsika dia izay mandray Azy ho Mpamonjin'ny tena manokana sy izay maka ny fahamendrehany ho an'ny tena. — CC, t. 298.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal