Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatratra ny marika

Daty
Talata 30 July 2024

"Fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy." Fil. 3:13,14. 

Mofon’aina:
Marobe ny zavatra nataon'i Paoly. Mpampianatra hendry tokoa izy, ary ny epistily nosoratany dia feno lesona maro izay manambara foto-pampianarana marina marobe. Nampiasa ny tanany izy nentiny nanaovana lay; izany no nahafahany namelona ny tenany isan'andro. (...) Nilanja enta-mavesatra ho an'ny fiangonana izy. Nanao ezaka tamin'ny fony izy hanehoana tamin'izy ireo ny fahadisoany, mba hanitsian'izy ireo izany sy tsy hahatonga azy ho voafitaka ka hanalavitra an'Andriamanitra. Nitady hatrany izay fomba hanampiana azy ireo izy teo amin'ny fahasahiranany, kanefa izao no nambarany momba izany: "zavatra iray loha no ataoko". (...) Nahatonga azy hampifantoka mandrakariva ny masony teo amin'i Jesosy Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoany ny fahatsapana mandrakariva ny fanatrehan'Andriamanitra.

Tokony hanentana ny mpanompon'Andriamanitra hanolo-tena tanteraka amin'ny asany koa ny tanjona voalohany nanosika an'i Paoly handroso, ka hiatrika ny loza sy ny tebiteby nahazo azy. Hiseho eo anatrehany hampiala ny sainy tsy hibanjina ny Mpamonjy ny tany sy ny zava-mahatsiriritra eo aminy, kanefa aoka hiezaka hanatratra ny marika efa nokendreny hotratrarina izy. Hasehony amin'izao tontolo izao sy amin'ny olona ary amin'ny anjely, fa ny fahasambarana hahita ny tavan'Andriamanitra dia mendrika hanaovana ny fandavan-tena rehetra ilaina ho fahatanterahan'izany fanantenana izany.

 Azon'izay ambany indrindra amin'ny mpianatr'i Kristy atao ny ho tonga mponin'ny lanitra, mpandova an'Andriamanitra amin'ny lova tsy mety lo sy maharitra. Raha mba misafidy ny fanomezana avy any an-danitra mantsy ny olon-drehetra, ka ho tonga mpandova an'Andriamanitra amin'ny lova izay azo antoka tsy ho azon'izay mpanimba, dia ny tontolo tsy misy fahataperana! Aza misafidy izao tontolo izao; fidio ny lova tsara kokoa noho izany.

Tsy ho eta dia hanatrika ny fanandratana ny Mpanjakantsika isika. Ireo izay nanana fiainana voafina tao amin'i Kristy, izay niady ny ady tsaran'ny finoana teto an-tany, dia hiara-mamiratra amin'ny voninahitry ny Mpanavotra any amin'ny fanjakan' Andriamanitra. – CC, t. 253. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal