Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao ampo ny fanjakan’Andriamanitra

Daty
Alakamisy 01 August 2024

« Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo. » – Lio. 17:21. 

Mofon’aina:
Ratsy toetra sady nampahory ny fanjakana tamin'ny fahavelon' i Jesôsy; nisy fanaovan-dratsy nihoapampana hatraiza hatraiza,  fanaovana an-keriny, tsy fandeferana, ary fahasiahana sy fanosihosena. Tsy niezaka ny hanao fanavaozana ara-panjakana anefa ny Mpamonjy. Tsy namely izay fanaovan-dratsy teo amin'ny firenena Izy, na nanameloka ny fahavalom-pirenena. Tsy nisalovana tamin'ny fahefana na ny fitondran'ireo teo amin'ny fanjakana Izy. Ilay ohatra ho antsika dia nihatakataka tamin'ny fanjakana eto an-tany. Tsy hoe satria tsy nampiraika Azy ny fahorian' ny olona, fa satria tsy eo amin'izay mety ho vitan'ny olombelona ivelambelany fotsiny ny fanafody. Mba hahombiazan'ny fanafody, dia tsy maintsy mahatratra ny olombelona tsirairay izany, ka manavao ny fo.

 Nisy Fariseo nanatona an'i Jesôsy nanontany hoe: "Rahoviana no ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra" – Lio. 17:20. Telo taona mahery lasa izay no nanomezan'i Jaona mpanao batisa ny hafatra tahaka ny antson'ny trompetra izay nanakoako nanerana ny tany hoe: "Akaiky ny fanjakan'ny lanitra" – Mat. 3:2. Nefa tsy nahita famantarana ny amin'ny fanorenana ny fanjakana ihany ireto Fariseo ireto. (...)

 Namaly i Jesôsy ka nanao hoe: "Tsy misehoseho ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny olona tsy hanao hoe: Indro ety na ery fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra, dia ao anatinareo." Manomboka ao amin'ny fo ny fanjakan'Andriamanitra. Aza mijery etsy na eroa hahita fanehoana ny hery ara-nofo mba hanamarihana ny fiaviany.

Tsy manambara Azy ho Mesia fotsiny ny asan'i Kristy, fa maneho koa ny fomba hanorenana ny fanjakany (...), dia amin'ny alalan'ny Teniny feno hatsaram-panahy, avy amin'ny tsindrimandry, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina ao anaty, ary amin'ny alalan'ny firaisan'ny fanahy Aminy Izay fiainana. Ny fisehoan'ny heriny lehibe indrindra dia eo amin'ny toetry ny olombelona manjary manana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin' i Kristy. (...)

 Tamin'ny nanomezany ny Zanany ho an'izao tontolo izao, Andriamanitra dia nanolotra harena tsy mety ho levona ho an'ny olombelona. Raha ampitahaina amin'izany harena izany ny fananana nangonin'ny olona hatramin'ny nanorenana an'izao tontolo izao, dia ho tsinontsinona ihany. Tonga teto an-tany i Kristy nijoro teo anivon'ny taranak'olombelona mitondra ny vesatry ny fitiavana voangona mandritra ny mandrakizay. Io no harena horaisintsika, amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy, ka hasehontsika sy hozaraintsika. – GAG, t. 16.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal