Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natsangana ho zanakalahy sy zanakavavy

Daty
Alatsinainy 05 August 2024

 "Rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan’anaka amin 'ny alalan Jesôsy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. " —Efes. 1:5,6. 

Mofon’aina:
Talohan'ny nanorenana izao tontolo izao no natao ny fanekena fa izay rehetra mankatò, izay rehetra tonga masina sady tsy manan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavany lehibe, noho ny fandraisany izany fahasoavana izany, dia ho tonga zanak'Andriamanitra.

Ny fahasoavana no nahazoan-tsika ny zavatra rehetra, ny fahasoavana maimaimpoana avy amin' Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nanendry ny fananganana antsika ho zanak' Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nanatanteraka ny fanavotana antsika, sy ny fanavaozana antsika ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin' i Kristy.

Raha mino tokoa isika fa Azy amin'ny fananganana anaka, dia mety hanandrana ny fiainan'ny lanitra dieny ety.(...) Akaiky Azy isika, ary azontsika atao ny manana fiombonana mamy Aminy. Hafa ny fijerintsika ny famindrampony sy ny fahamoram-panahiny, ary ny fontsika dia vaky sy torotoron'ny fitiavana izay omena antsika. Tsapantsika fa mitoetra ao amin'ny fanahintsika i Kristy. Mitoetra ao Aminy isika, ary mahatsapa ho toy ny ao an-trano fonenantsika rehefa miaraka Aminy. (...) Tsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra, ary dia mitsahatra ao amin'ny fitiavany isika. Tsy misy teny mahalaza izany; mihoatra ny fahalalana izany. Iray amin'i Kristy isika, ny fiainantsika miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. Manana toky isika fa raha hiseho i Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy koa amin'ny voninahitra isika. Azontsika antoka tokoa fa afaka miantso an'Andriamanitra hoe Raintsika isika. (...)

 Ny fitiavana ny olona no fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra eto an-tany. Hametraka izany fitiavana izany ao anatintsika, hahatonga antsika ho ankohonana iray, no nahatongavan' Ilay Mpanjakan'ny voninahitra ho olombelona ka ho iray amintsika. Ary rehefa tanteraka ny teniny farany manao hoe: "Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo" — Jao. 5:12, rehefa tia izao tontolo izao toy ny nitiavany azy isika, dia tanteraka izany ny iraka nampanaovina Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika. — GAG, t. 54. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal