Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fara-orana

Daty
Alahady 18 August 2024

 "Mangataha ranonorana amin Jehôvah hianareo amin'ny andro fara-orana, dia amin'i Jehôvah , Izay manao ny helatra; ranonorana mivatravatra no homeny azy, eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny. " — Zak. 10:1.

Mofon’aina:

Ny endriky ny ranonorana aloha sy aoriana, izay milatsaka any atsinanana amin'ny fotoana famafazana sy fijinjana, no nentin'ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan'ny fahasoavana ara-panahy amin'ny fatra mahagaga eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra. Ny firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Apôstôly no fiantombohan'ny ranonorana aloha, na voalohany, ary be voninahitra ny vokatr' izany. (...)

 Nefa rehefa akaiky ny fiafaran'ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho amin'ny fiavian'ny Zanak'olona. Ampitovina amin'ny filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan'ny Fanahy io; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan'ny Kristianina fangatahana amin'ny Tompon'ny vokatra " amin'ny andro fara-orana."

Tahaka ny nanomezam-boninahitra an'i Kristy tamin'ny andro Pentekosta no hanomezam-boninahitra Azy indray amin'ny fiafaran'ny asan'ny filazantsara, dia rehefa hanomana vahoaka hijoro amin'ny fizahan-toetra farany Izy, eo am-pamaranana ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy.

Maro (...) no hidodododo etsy sy eroa, teren'ny Fanahin'Andriamanitra hitondra fahazavana ho an'ny hafa. Toy ny afo ao amin'ny taolany ny Tenin'Andriamanitra, mameno azy amin'ny faniriana miredareda hanazava ireo izay mitoetra ao amin'ny haizina. Maro be, na dia amin'ireo tsy nandia fianarana aza, no manjary mitory ny tenin'ny Tompo. Asesiky ny Fanahy ny ankizy handroso sy hanambara ny hafatra avy any an-danitra. Hirotsaka amin'izay rehetra manaiky hiasany ny Fanahy Masina, ary (...) hanambara ny fahamarinana amin'ny hery sy ny fahefan'ny Fanahy izy.

Kanefa tsy ho vonona ho amin'ny fotoam-pijinjana ny mambran'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny raha tsy manana fifandraisana velona amin'Ilay Loharanon'ny fitomboana ara-panahy. Raha tsy manamboatra ny fanalany sy mitahiry izany hirehitra izy ireo dia tsy handray ny fanampim-pahasoavana amin'ny fotoana ilana izany manokana. Ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra eo am-panombohana sy isaky ny dingana iray irosoana, ary ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no afaka mamita ny asa. Tsy misy fotoana intsony tokony hitoerantsika ao amin'ny tsy firaihana (...). Aoka isika hikatsaka tsy tapaka, amim-bavaka sy amim-pinoana, fatrany bebe kokoa hatrany amin'ny Fanahy. GAG, t. 220. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal