Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Valisoa manao

Daty
Zoma 30 August 2024

« Raha maharitra ny asan'ny olona, (...) dia handray valim-pitia izy. » - 1 Kôr. 3:14. 

Mofon’aina:
Ho be voninahitra tokoa ny valim-pitia hatolotra an'ireo . mpiasa mahatoky manodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Nahatsiaro ho toy ny maty i Jaona raha nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny maha-mety maty azy; tsy zakany ny nijery izany. Rehefa hotafina tsy fahafatesana kosa ireo zanak' Andriamanitra dia habita Azy "dia izay tena endriny tokoa"- 1 Jao. 3:2. Hijoro eo anoloan'ny sezafiandrianana izy ireo, hekena ho malala. Efa nofafana avokoa ny fahotany rehetra, ary nohadinoina ny tsy fahamarinany. Azony atao izao ny mijery ny voninahitra mamirapiratry ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Niara-nitondra ny fahorian'i Kristy izy ireo, niara-niasa Taminy tao amin'ny drafi-pamonjena, ary miombona Aminy ao amin'ny fifaliana amin'ny fahitana ireo fanahy maro voavonjy any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, mba hidera an'Andriamanitra mandritra ny mandrakizay.

Hamirapiratra ao amin'ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka ireo voavonjy amin'izay andro izay. Hiarahaba ny Mpanjaka sy ireo amboaram-pandreseny ireo anjely mitendry lokanga volamena. (...) Hiram-pandresena no hanakoako hameno ny lanitra. Nandresy i Kristy. Miditra ny lapan'ny lanitra Izy, arahin'ireo voavonjy, dia ireo vavolombelona maneho fa tsy foana tsy akory ny fahoriana niaretany sy ny sorona nataony. (...)

Misy fonenana natao ho an'ireo mpivahiny et S/ an-tany, fitafiana ho an'ireo marina, ary satroboninahitra feno voninahitra sy sampan-drofian'ny fandresena. Hohazavaina ireo zavatra rehetra nanahiran-tsaina antsika mikasika ny fitantanan'Andriamanitra teto an-tany. Ho azontsika ny fanazavana ireo zavatra saro-takarina. Haseho miharihary eo anoloantsika ireo zava-miafin'ny fahasoavana. Firindrana tonga lafatra sy maha-te ho tia no ho hitantsika eo amin'izay tsy ahitan'ny saintsika voafetra afa-tsy fahaverezan-kevitra sy fampanantenana tsy tanteraka. Ho fantatsika fa fitiavana mandrakizay no nibaiko ireo fanandramana izay toa mafy indrindra. Hifaly amin'ny fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra isika rehefa hahatsapa ny fiahiana feno fitiavan'Ilay manao ny zavatra rehetra hiara-miasa hahasoa antsika. 

Mananatra anao aho mba hiomana ho amin'ny fiavian' i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. (...) Miornâna hiatrika ny fitsarana, ka rehefa ho avy i Kristy mba "higagana eo amin'izay rehetra mino", dia ho anisan'ireo izay hitsena Azy amim-piadanana ianao. — GAG, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal