Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Valisoa manao

Daty
Zoma 30 August 2024

« Raha maharitra ny asan'ny olona, (...) dia handray valim-pitia izy. » - 1 Kôr. 3:14. 

Mofon’aina:
Ho be voninahitra tokoa ny valim-pitia hatolotra an'ireo . mpiasa mahatoky manodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Nahatsiaro ho toy ny maty i Jaona raha nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny maha-mety maty azy; tsy zakany ny nijery izany. Rehefa hotafina tsy fahafatesana kosa ireo zanak' Andriamanitra dia habita Azy "dia izay tena endriny tokoa"- 1 Jao. 3:2. Hijoro eo anoloan'ny sezafiandrianana izy ireo, hekena ho malala. Efa nofafana avokoa ny fahotany rehetra, ary nohadinoina ny tsy fahamarinany. Azony atao izao ny mijery ny voninahitra mamirapiratry ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Niara-nitondra ny fahorian'i Kristy izy ireo, niara-niasa Taminy tao amin'ny drafi-pamonjena, ary miombona Aminy ao amin'ny fifaliana amin'ny fahitana ireo fanahy maro voavonjy any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, mba hidera an'Andriamanitra mandritra ny mandrakizay.

Hamirapiratra ao amin'ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka ireo voavonjy amin'izay andro izay. Hiarahaba ny Mpanjaka sy ireo amboaram-pandreseny ireo anjely mitendry lokanga volamena. (...) Hiram-pandresena no hanakoako hameno ny lanitra. Nandresy i Kristy. Miditra ny lapan'ny lanitra Izy, arahin'ireo voavonjy, dia ireo vavolombelona maneho fa tsy foana tsy akory ny fahoriana niaretany sy ny sorona nataony. (...)

Misy fonenana natao ho an'ireo mpivahiny et S/ an-tany, fitafiana ho an'ireo marina, ary satroboninahitra feno voninahitra sy sampan-drofian'ny fandresena. Hohazavaina ireo zavatra rehetra nanahiran-tsaina antsika mikasika ny fitantanan'Andriamanitra teto an-tany. Ho azontsika ny fanazavana ireo zavatra saro-takarina. Haseho miharihary eo anoloantsika ireo zava-miafin'ny fahasoavana. Firindrana tonga lafatra sy maha-te ho tia no ho hitantsika eo amin'izay tsy ahitan'ny saintsika voafetra afa-tsy fahaverezan-kevitra sy fampanantenana tsy tanteraka. Ho fantatsika fa fitiavana mandrakizay no nibaiko ireo fanandramana izay toa mafy indrindra. Hifaly amin'ny fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra isika rehefa hahatsapa ny fiahiana feno fitiavan'Ilay manao ny zavatra rehetra hiara-miasa hahasoa antsika. 

Mananatra anao aho mba hiomana ho amin'ny fiavian' i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. (...) Miornâna hiatrika ny fitsarana, ka rehefa ho avy i Kristy mba "higagana eo amin'izay rehetra mino", dia ho anisan'ireo izay hitsena Azy amim-piadanana ianao. — GAG, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal