Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

May 2024

NY VAOVAO MAHAFALIN'NY EFITRA MASINA INDRINDRA 

Vakio ny Heb. 4:14-16 sy ny Heb. 10:19-22. Inona ny toky sy fanasan'Andriamanitra omen'ireo andininy ireo antsika tsirairay avy?

 Izao no hafatr'i Paoly ao amin'ny epistily ho an'ny Hebreo: "aoka (...) hihazona", "hanatona (...) amin'ny fahasahiana", "aza kivy", afantohy amin'i Jesôsy ilay Mpisoronabentsika lehibe ny finoanao. Manana izay rehetra ilaintsika isika ao amin'i Jesôsy. Amin'ny finoana dia azontsika atao ny miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny "Ialana vaovao sady velona" izay nosokafan'i Jesôsy ho antsika.

TONGA NY FITSARANA

Ampitahao amin'ny Apôk. 14:6,7 ny Dan. 7:9,10. Inona ny fitoviana hita eo amin'Ireo andininy roa ireo?

AO AMIN'NY MASINA INDRINDRA

Vakio ny Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; ary ny Heb. 9:23-28. Nahoana no tena nanan-danja tamin'ny Isiraely fahiny ny Andro Fanavotana?

NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

Vakio ny Eks. 25:8, 9, 40 sy ny Heb. 8:1-6. Inona avy ireo Fitoerana Masina roa resahina ao amin'ireo andininy ireo?

FAHAZAVANA AVY AO AMIN'NY FITOERANA MASINA 

SABATA HARIVA 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 25:8, 9, 40; Heb. 8:1-6; Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; Heb. 9:23-28; Dan. 7:9, 10; Mat. 25:1-13; Apôk. 11:19. 

Tsianjery:  "Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan’ny Avo lndrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo fa tsy olona. Heb.8:1,2.

FIANARANA FANAMPINY

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ireo faminanian'ny 70 herinandro sy ny 2300 andro. Manomboka amin'ny 457 TIK ireo faminaniana ireo ary manambara mialoha ireo toe-javatra manodidina ny "Mesia Andriana", izay iorenan'ny faminanian'ny 70 herinandro. Araka io fototra mafy orina io dia mifarana amin'ny taona 1844 ny faminanian'ny 2300 andro.

                                                   [ 2300 andro (2300 taona) ]

ILAY VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA LAVA INDRINDRA

Vakio ny Ezra 7:7-13. Oviana no navoaka ny didy nomena ny Isiraely babo tany Persia mba hanorina indray ny tempoliny?

I Artaksersesy mpanjakan'i Persia no namoaka izany didy izany tamin'ny 457 TIK. Io didy io no farany amin'ireo didy telo namela ny Jiosy hiverina hanamboatra indray an'i Jerosalema sy hamerina amin'ny laoniny ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. lo didy fahatelo io no feno indrindra ary manamarika ny fiantombohan'ny faminanian'ny 2300 andro/taona.

IREO 2300 ANDRO AO AMIN’NY DANIELA 8:14

Hitan'i William Miller fa tanteraka antsakany sy andavany ireo toe-javatra nolazain'ireo mpaminany mialoha: ireo 400 taona nivahinian'ny taranak'i Abrahama, ireo 40 taona nirenirenen'ny lsiraely tany an'efitra, ireo 70 taona nambaboana ny lsiraely ary ireo 70 herinandro nomena ny Isiraely araka ny faminanian'i Daniela (Gen. 15:13, Nom. 14:34, Jer. 25:11 ary ny Dan. 9:24).

Vakio ny Mar. 1:15, Gal. 4:4, ary ny Rôm. 5:6. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fandaharam-potoan'Andriamanitra ho an'ny fiaviany voalohany?

I WILLIAM MILLER SY NY BAIBOLY

Tahaka ny nampiasan'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana protestanta mba hanamafy ny fahamarinana momba ny fanamarinana amin'ny finoana ao amin'i Kristy irery ihany, dia toy izany koa no nampiasany an'i William Miller hanamafy ny fahamarinana momba ny fiavian'i Kristy fanindroany. Raha nianatra ny Soratra Masina i Miller dia hitany i Kristy tia azy mihoatra noho izay mety ho takatry ny sainy.

MIOMANA HO AMIN'ILAY FOTOANA

Na dia nino ny fiverenan'i Kristy ara-bakiteny, hita maso, renin'ny sofina, ary be voninahitra aza ireo mpanavao fivavahana protestanta dia niova miandalana ny fahatakarana izany fahamarinana ara-Baiboly izany. Mpitory teny malaza tamin'ny taonjato faha-19 no nampianatra fa ho avy hametraka ny fanjakany eto an-tany i Kristy ary hitondra fiadanana mandritra ny 1000 taona. Nahatonga torimaso ara-panahy sy tsy firaihana amin'ny fanoloran-tena hanaraka ireo foto-kevitra ara-panahy feno fahendrena izany. Toy izany koa, tsy takatr'ireo mpianatr'i Kristy ny toetry ny fiavian'ny Mesia.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal