Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

May 2024

NY VAOVAO MAHAFALIN'NY EFITRA MASINA INDRINDRA 

Vakio ny Heb. 4:14-16 sy ny Heb. 10:19-22. Inona ny toky sy fanasan'Andriamanitra omen'ireo andininy ireo antsika tsirairay avy?

 Izao no hafatr'i Paoly ao amin'ny epistily ho an'ny Hebreo: "aoka (...) hihazona", "hanatona (...) amin'ny fahasahiana", "aza kivy", afantohy amin'i Jesôsy ilay Mpisoronabentsika lehibe ny finoanao. Manana izay rehetra ilaintsika isika ao amin'i Jesôsy. Amin'ny finoana dia azontsika atao ny miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny "Ialana vaovao sady velona" izay nosokafan'i Jesôsy ho antsika.

TONGA NY FITSARANA

Ampitahao amin'ny Apôk. 14:6,7 ny Dan. 7:9,10. Inona ny fitoviana hita eo amin'Ireo andininy roa ireo?

AO AMIN'NY MASINA INDRINDRA

Vakio ny Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; ary ny Heb. 9:23-28. Nahoana no tena nanan-danja tamin'ny Isiraely fahiny ny Andro Fanavotana?

NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

Vakio ny Eks. 25:8, 9, 40 sy ny Heb. 8:1-6. Inona avy ireo Fitoerana Masina roa resahina ao amin'ireo andininy ireo?

FAHAZAVANA AVY AO AMIN'NY FITOERANA MASINA 

SABATA HARIVA 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 25:8, 9, 40; Heb. 8:1-6; Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; Heb. 9:23-28; Dan. 7:9, 10; Mat. 25:1-13; Apôk. 11:19. 

Tsianjery:  "Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan’ny Avo lndrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo fa tsy olona. Heb.8:1,2.

FIANARANA FANAMPINY

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ireo faminanian'ny 70 herinandro sy ny 2300 andro. Manomboka amin'ny 457 TIK ireo faminaniana ireo ary manambara mialoha ireo toe-javatra manodidina ny "Mesia Andriana", izay iorenan'ny faminanian'ny 70 herinandro. Araka io fototra mafy orina io dia mifarana amin'ny taona 1844 ny faminanian'ny 2300 andro.

                                                   [ 2300 andro (2300 taona) ]

ILAY VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA LAVA INDRINDRA

Vakio ny Ezra 7:7-13. Oviana no navoaka ny didy nomena ny Isiraely babo tany Persia mba hanorina indray ny tempoliny?

I Artaksersesy mpanjakan'i Persia no namoaka izany didy izany tamin'ny 457 TIK. Io didy io no farany amin'ireo didy telo namela ny Jiosy hiverina hanamboatra indray an'i Jerosalema sy hamerina amin'ny laoniny ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. lo didy fahatelo io no feno indrindra ary manamarika ny fiantombohan'ny faminanian'ny 2300 andro/taona.

IREO 2300 ANDRO AO AMIN’NY DANIELA 8:14

Hitan'i William Miller fa tanteraka antsakany sy andavany ireo toe-javatra nolazain'ireo mpaminany mialoha: ireo 400 taona nivahinian'ny taranak'i Abrahama, ireo 40 taona nirenirenen'ny lsiraely tany an'efitra, ireo 70 taona nambaboana ny lsiraely ary ireo 70 herinandro nomena ny Isiraely araka ny faminanian'i Daniela (Gen. 15:13, Nom. 14:34, Jer. 25:11 ary ny Dan. 9:24).

Vakio ny Mar. 1:15, Gal. 4:4, ary ny Rôm. 5:6. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fandaharam-potoan'Andriamanitra ho an'ny fiaviany voalohany?

I WILLIAM MILLER SY NY BAIBOLY

Tahaka ny nampiasan'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana protestanta mba hanamafy ny fahamarinana momba ny fanamarinana amin'ny finoana ao amin'i Kristy irery ihany, dia toy izany koa no nampiasany an'i William Miller hanamafy ny fahamarinana momba ny fiavian'i Kristy fanindroany. Raha nianatra ny Soratra Masina i Miller dia hitany i Kristy tia azy mihoatra noho izay mety ho takatry ny sainy.

MIOMANA HO AMIN'ILAY FOTOANA

Na dia nino ny fiverenan'i Kristy ara-bakiteny, hita maso, renin'ny sofina, ary be voninahitra aza ireo mpanavao fivavahana protestanta dia niova miandalana ny fahatakarana izany fahamarinana ara-Baiboly izany. Mpitory teny malaza tamin'ny taonjato faha-19 no nampianatra fa ho avy hametraka ny fanjakany eto an-tany i Kristy ary hitondra fiadanana mandritra ny 1000 taona. Nahatonga torimaso ara-panahy sy tsy firaihana amin'ny fanoloran-tena hanaraka ireo foto-kevitra ara-panahy feno fahendrena izany. Toy izany koa, tsy takatr'ireo mpianatr'i Kristy ny toetry ny fiavian'ny Mesia.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal