Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO 2300 ANDRO AO AMIN’NY DANIELA 8:14

Daty
Alarobia 15 May 2024

Hitan'i William Miller fa tanteraka antsakany sy andavany ireo toe-javatra nolazain'ireo mpaminany mialoha: ireo 400 taona nivahinian'ny taranak'i Abrahama, ireo 40 taona nirenirenen'ny lsiraely tany an'efitra, ireo 70 taona nambaboana ny lsiraely ary ireo 70 herinandro nomena ny Isiraely araka ny faminanian'i Daniela (Gen. 15:13, Nom. 14:34, Jer. 25:11 ary ny Dan. 9:24).

Vakio ny Mar. 1:15, Gal. 4:4, ary ny Rôm. 5:6. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fandaharam-potoan'Andriamanitra ho an'ny fiaviany voalohany?

Rehefa nandinika ny faminaniana i Miller, ka nampitaha ny Soratra Masina tamin'ny Soratra Masina, dia nanao tsoa-kevitra fa raha nanana fandaharam-potoana Andriamanitra manerana ny Baiboly manontolo dia tokony hanana fandaharam-potoana ho an'ny fiavian'ny Tompontsika fanindroany lzy.

Vakio ny Dan. 8:14. Inona ny toe-javatra tokony hitranga amin'ny fiafaran'ny 2300 andro?

Neken'i William Miller ilay fomba fijerin'ny besinimaro nilaza fa ny "fanadiovana ny Fitoerana Masina" dia ny fanadiovana ny tany amin'ny afo. Tamin-kafanam-po no nandinihany ny Soratra Masina mba hahatakarana ny amin'ireo tranga mana-danja toy izany. Hitany ny fifandraisana nisy tamin'ny Daniela 8 sy ny Daniela 9. Ao amin'ny Dan. 8 dia nomena baiko ny anjely hoe "ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity' - Dan. 8:16. Any amin'ny fiafaran'ny toko, ny hany ampahany tsy voazava amin'ny fahitana izay ao amin'ny Dan. 8 (jereo ny Dan. 8:27) dia ilay momba ny 2300 andro. Taty aoriana dia niverina tamin'i Daniela ilay anjely ka nilaza hoe "avy hampahazava saina anao aho" (Dan. 9:22; jereo koa ny Dan. 9:23, 25-27). Ho fanampiana azy hahatakatra ny amin'ireo 2300 andro izany. Fantatsika izany satria taorian'ny nangatahana an'i Daniela hoe "diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana" - Dan. 9:23, ny teny voalohany nataon'ilay anjely dia hoe: "Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanananao masina" - Dan. 9:24. Ny voanteny nadika hoe "voatendry" dia midika ara-bakiteny hoe "nesorina", na "nalana". Fitopolo herinandro, na 490 taona, no tokony hesorina. Saingy amin'inona? Amin'ny fahitan'ny 2300 andro, mazava loatra - ilay hany ampahany amin'ny Dan. 8 izay tsy nazava tamin'i Daniela ka tonga ny anjely hanazava izany. Ary satria ny fanombohan'ny 70 herinandro dia "hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema" - Dan. 9:25, dia fantatr'i Miller fa raha manana io daty io izy dia afaka hahafantatra ny fiandohan'ny 70 herinandro sy ny faminaniana momba ny 2300 andro. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal