Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA LAVA INDRINDRA

Daty
Alakamisy 16 May 2024

Vakio ny Ezra 7:7-13. Oviana no navoaka ny didy nomena ny Isiraely babo tany Persia mba hanorina indray ny tempoliny?

I Artaksersesy mpanjakan'i Persia no namoaka izany didy izany tamin'ny 457 TIK. Io didy io no farany amin'ireo didy telo namela ny Jiosy hiverina hanamboatra indray an'i Jerosalema sy hamerina amin'ny laoniny ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. lo didy fahatelo io no feno indrindra ary manamarika ny fiantombohan'ny faminanian'ny 2300 andro/taona.

Vakio ny Dan. 9:25,26. Oviana io vanim-potoana ara-paminaniana io no manomboka? Inona avy ireo toe-javatra lehibe ambaran'ireo andininy ireo mialoha?

Ao amin'io faminaniana miavaka io, i Daniela dia naminany fa hatramin'ny "hivoahan'ny didy hanamboarana sy hananganana indray an'i Jerosalema" hatramin'ny Mesia, dia hisy 69 herinandro ara-paminaniana, na 483 andro ara-pamianiana, na taona ara-bakiteny. Satria ny fararanon'ny taona 457 TIK no nivoahan'ny didy, ireo 483 taona dia miitatra hatramin'ny fararanon'ny taona 27 amin'izao androntsika izao. Ny teny hoe "Mesia" dia midika hoe "Ilay voahosotra". Ny fararanon'ny taona 27 TrK no natao batisa i Kristy ary nandray ny fanosoran'ny Fanahy (Asa. 10:38). Taorian'ny nanaovana batisa Azy dia nankany Galilia i Jesôsy "nitory ny filazantsaran'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana " - Mar. 1:14,15. Tamin'ny lohataonan'ny taona 31, teo afovoan'ny herinandro farany ara-paminaniana, telo taona sy tapany taorian'ny nanaovana batisa Azy no nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Jesôsy . Ny rafitra fanaovana fanatitra izay nanondro ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra dia nifarana tamin'ny Sorona nataon'i Kristy teo Kalvary. Nihaona tamin'ny tena izy ny tandindona ary nitsahatra nony farany ireo sorona sy fanatitry ny rafitra seremôniely rehetra.

 Vakio ny Dan. 9:27. Toy ny ahoana ny fiafaran'ireo 70 herinandro ara-paminaniana?

Ireo fitopolo herinandro, na 490 taona, natokana ho an'ny Jiosy dia tapitra tamin'ny taona 34 niaraka tamin'ny fandavan'ny Sinedriona ny hafatry ny filazantsara (Asa. 6:8-7:60). Raha esorina amin'ny 2300 taona ny 490 taona araka ny faminaniana dia 1810 taona no sisa hahatanterahan'ny faminaniana. Mitondra antsika ho eo amin'ny taona 1844 izany. I William Miller sy ireo Advantista voalohany dia nino fa ny Fitoerana Masina ao amin'ny Dan. 8:14 dia ny tany, ary nihevitra izy ireo fa ho avy hanadio ny tany amin'ny alalan'ny afo i Kristy amin'ny taona 1844. (Jereo ny tabilao ao amin'ny fizarana Zoma.) 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal