Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2026

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Na mazava aza fa nanana fifandraisana ety tamin'Andriamanitra i Enoka, dia be kokoa no fantatsika momba ny fifandraisan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, ary maro ny tantara milaza ny fifampiresahan'i Mosesy tamin'Andriamanitra.

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.

Rehefa misy olana eo amin'ny fiainantsika, dia ny miantso namana akaiky no mahavantana ny ankamaroantsika, mba hiresahana momba izany. Rehefa manana vaovao tsara isika, dia mitady olona hizarana izany. Afaka manao toy izany koa isika amin'Andriamanitra. "Ny fivavahana dia famborahana ny fo amin'Andriamanitra, toy ny amin'ny sakaiza tiana indrindra."— DHK, t. 106.

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.

I Daniela dia iray amin'ireo olo-malaza lehibe ao amin'ny Baiboly. Fantatsika koa ny niandohan'ny tantarany: "Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka"- Dan, 1:8. "Ary ireo zatovo efa-dahy ireo (Daniela sy ireo namany telo lahy) dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra: ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra"- Dan. 1:17. Hendry no amaritan'ny Baiboly an'i Daniela (Dan. 1:20; Dan.

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 2:20-23; Dan. 6:10,11; Asa. 20:36; Gen. 5:22-24; Eks. 33:15-23; Eks. 32:31,32.

Tsianjery :

"Izaho tia an'i Jehôvah, satria efa nandre ny feon'ny fifonako lzy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko lzy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa." - Sal. 116:1,2.

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.

Ny tanjona kendren'ny fandinihana ny Baiboly dia ny hahalala an'Andriamanitra sy ny hitombo ao amin'ny fifandraisana Aminy, satria izany no fiainana mandrakizay — ny fiarahana mandra kizay amin'ilay Andriamanitra tiantsika (Jao. 5:39; Jao. 17:3).

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.

Eritrereto ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra. Tsara ho an'ny fahasalamana ve izany? Mety mampiasa tantely ianao hanamamiana izany, na koa mampiasa tantely Manuka noho ireo tombontsoa voalazan'ny mpitsabo fa azo avy aminy (Ny tantely Manuka dia karazan-tantely avy any Nouvelle-Zelande izay miavaka amin'ny tantely hafa rehetra noho ny fananany molekiola mahery vaika izay manampy ny vatana hanohitra otrikaretina samihafa). Raha efa nanandrana nihinana toho-tantely ianao dia hahalala fa mamy aoka izany ny tsirony, ary malefaka ery izy raha miempo ao am-bavanao.

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.

Maro ny fomba ahafahantsika mianatra ny Baiboly. toy ny fandinihana andininy tsirairay (efa voaresaka etsy ambony), ny fandalinana toko iray na lohahevitra iray, ny fandinihana teny iray na boky iray. Azontsika atao ny mandalina konkordansa na koa ny rakibolana momba ny Baiboly, ary azo atao ny mamaky Baiboly miaraka amin'ireo boky fanahin'ny faminaniana ho fanampin-kevitra. Azo atao koa ny mivoaka eny anivon'ny zavaboary ary mihaino ny Baiboly vakina, na koa mihaona amin'ny namana na vondrona kely mba hiara-mianatra Baiboly.

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.

Na dia tsy voatery ho manam-pahaizana be aza vao afaka handinika ny Baiboly, ahoana kosa no hahafahanao mandalina azy bebe kokoa ? 

Mivavaka : Manan-danja ny vavaka, ho fanokafana sy famaranana ny fotoana handinihana ny Baiboly. Ambaran'i Ellen G. White fa tsy irery isika rehefa mamaky ny Baiboly. Raha manasa ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika isika dia manda ireo zavatra rehetra mety hanelingelina, ka mandositra ny fahavalo noho izany.

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.

I Jesôsy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra, anisan'izany ny momba ny fivavahana ataon'ny tena manokana. Inona no ambaran'ny Mar. 1:35 momba ny fotoana niarahan'i Jesôsy tamin'Andriamanitra?

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.

Efa nisy fotoana ve nanomananao ny famohamandrinao mba haneno maraindraina kokoa, hahafahanao mifoha hamaky Baiboly? Efa nisy fotoana ve nampalain-kihetsika anao teo am-pandriana, kanjo nijery ny famantaranandro ianao ary nieritreritra hoe: fahefakadiny no ananako hiomanana, tsy tokony hitaredretra aho! Efa nisy fotoana ve nanaovanao vavaka fohy dia fohy na nanaovanao topy maso monja ny toko iray ao amin'ny Baiboly, ka ny fieritreretanao fotsiny no tony fa ny fonao kosa tsy afa-po, noho ny fikoropahana hiatrika ny tontolo andro?

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal