"Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra."- Lio. 14:11
Mofon’aina: Manome voninahitra ireo izay mietry eo anatrehany Andriamanitra. Raha kivy noho ny fitarainana sy ny fimo-nomononan'ny vahoaka izay notarihiny ho any amin'ny tany nampanantenaina i Mosesy, dia nitalaho tamin'Andriamanitra mba homeny antoka ny amin'ny Fanatrehany (...). Ary hoy ny Tompo: "Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho." Eks. 33:14.
"Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan’ny olona."- Mat. 5:13
"Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an 'Andriamanitrao amin 'ny fanetren-tena."- Mika 6:8
"Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany."- Mat. 5:5
Mofon’aina: Toetra kristianina sarobidy ny fahalemem-panahy. Amin'ny fitondrana ny ziogan'i Kristy ihany no ianarana ny Fahalemem-panahiny sy ny Fanetren-tenany. (...)
"Fa ny fitiavan Kristy no manery anay."- 2 KOr. 5:14
Mofon’aina: Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin 'ireo."- 1 Kor. 13:13.