Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahatokiana tsy voahozongozona 

Daty
Alatsinainy 24 August 2026

"Ary ny amiko, dia manohana ahy amin 'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay."- Sal. 41:12

Mofon’aina:
Eo amin'izay rehetra ataony eo amin'ny fiainana, ny tena Kristianina dia miaina araka izay iriny hahitan'ny manodidina azy. Ny fahamarinana sy ny fahitsiana no mitari-dalana azy. Tsy manao teti-dratsy izy ka tsy misy tokony hafeniny. Mety ho voakiana izy, mety hozahan-toetra; nefa ao anatin'izany rehetra izany dia mamirapiratra toy ny volamena tsara ny fahatokiany tsy voahozongozona. Naman' izay rehetra mifandray aminy izy ary mpanasoa azy ireny, matoky azy ny olona satria mendri-pitokisana izy. (...) Manamaivana ny fahasahiranan'ireo rahalahy mahantra izy. Tsy mitady izay hampitomboana ny hareny amin'ny fanararaotana ny fahavoazan'ny namany izy. Izay vidiny ara-drariny ihany no ivarotany amin'ny hafa. Ary raha misy tsy fahatomombanana ny entana amidiny dia lazainy mivantana amin'ny mpividy izany, na dia hahafaty antoka azy aza ny fanaovana izany. (...)

Fantatr'i Satana tsara ny hery miasa mangina avy amin'ny fiainan'ny olona manana fahamendrehana mafy orina ka miezaka mafy izy mba hanakana ny olona tsy hanana fiainana toy izany. Manatona azy ireo amin'ny fakam-panahy maharenoka izy, ka mampanantena harena, toerana ambony, voninahitra araka izao tontolo izao, raha toa izy ireo miala amin'ny fitsipiky ny fahamarinana. Mahomby tokoa izy amin'izany. (...) Tsy ireo izay very harena no tandindomin-doza indrindra, fa ireo izay nahazo harem-bevava. (...) Eny, asaina mivavaka ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin'ny fahoriana. Kanefa ireo miaina ao anatin'ny harena no tena mila ny vavak'ireo mpanompon'Andriamanitra, satria izy ireo no tena tandindomin-doza tsy hahazo famonjena. (...)

Ny tena fivavahana dia tsy zavatra andrakandramana fa tena fanahafana an'i Kristy. Arahin'Andriamanitra maso ary ampamoahiny ny tsirairay ka zahany toetra araka ny vokatry ny asany avy. Tsy ho ela dia ho re ny antso hoe: "Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako." - Lio. 16:2.- Wm, 26 Mey 1908 (ST, 19 Febroary 1902). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal