Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo."- Lio. 6:36
Mofon’aina:
Toetran' Andriamanitra saingy azon'olombelona ananana ny famindrampo. (...) Nomena asam-pamindrampo isika mba hatao amin'ireo namantsika. Raha manao izany isika dia miara-miasa amin'Andriamanitra. (...)
Hoy Jehovah: "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra."- Mat. 9:13. Malemy fanahy sy miantra izay mamindra fo. Ny famindrampo sy ny fitiavana an'Andriamanitra no manadio ny fanahy (...) sy manadio ny fiainana ho afaka amin'ny fitiavan-tena. Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ny famindrampo, ary ireo izay miray amin'Andriamanitra sy manompo Azy no maneho izany ka mitaratra ny fahazavan'ny lanitra eo amin'ny lalan' ireo namany. Miantso ny hanehoana famindrampo tsy amboamboarina ny toerana misy ny olona maro. Ny fitsipiky ny famindrampo sy fitiavana no tokony hifehy ny fifandraisan'ny Kristianina amin'ny hafa. Aoka izy ireo hanararaotra ny fotoana rehetra hahafahany manampy ny namany ao anaty ady sarotra. (...)
Aoka izay maniry hanana toetra tahaka ny an'i Kristy hibanjina mandrakariva ny hazo fijaliana izay no nahafatesan'i Kristy tamin'ny fomba nampihoron-koditra mba hanavotana ny taranak'olombelona. Aoka izy ireo hikolokolo mandrakariva ny toe-tsaina feno indrafo izay nandrisika ny Mpamonjy hanao ilay sorona tsy manam-petra ho fanavotana antsika. (...)
Izay miantra "no hiantrana."- Mat. 5:7. "Izay maniry soa olona hohatavezina; Ary izay mandenc dia mba holemana kosa."- Ohab. 11:25. Misy fiadanana mamy ho an'ny fanahy feno fangorahana, ary fifaliana voatahy no hita ao amin'ny fiainam-panompoana tsy mitady ny tombontsoan'ny tenany fa izay hahasoa ny hafa.
Izay mahafoy ny ainy ho an'Andriamanitra amin'ny fanompoana ireo zanany dia mifamatotra amin'Ilay manana ny haren'izao rehetra izao eo am-pelatanany. (...) Tsy hahafoy azy amin'ny andro mahory ny Tompo (Fil. 4:19). Ary amin'ny fotoan'ny fitsarana farany no hahitan'izay mamindra fo famindrampo ao amin'ilay Mpamonjy be fiantra, Izy no handray azy ireo ho ao amin'ny fonenany mandrakizay.- ST, 21 Mey 1902.