Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO AMIN'NY MASINA INDRINDRA

Daty
Alatsinainy 20 May 2024

Vakio ny Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; ary ny Heb. 9:23-28. Nahoana no tena nanan-danja tamin'ny Isiraely fahiny ny Andro Fanavotana?

Manao ny asa fisoronany isan'andro mandritra ny taona ireo mpisorona saingy amin'ny Andro Fanavotana, antsoina hoe Yom Kippour amin'ny teny hebreo, dia mitodika any amin'ny Fitoerana Masina ny mason'ny Isiraelita rehetra. Manome torolalana mazava ho amin'ny Andro Fanavotana ny Lev. 16 sy 23. Mitsahatra ny asa mahazatra rehetra. Mifady hanina ny rehetra. 
Rehefa miditra ao amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny efitra masina indrindra ho an'ny olona ny mpisoronabe dia mandinika ny fony izy ireo. Mitady an'Andriamanitra ao amin'ny fanetren-tena sy amin'ny fiaiken-keloka avy amin'ny fo izy ireo.

Na iza na iza tsy "miory" amin'ny Andro Fanavotana dia "nofongorana" tsy ho isan'ny vahoaka voafidy intsony (Lev. 23:27, 29). Amin'ny Andro Fanavotana dia nitondra ny ran'osilahin'i Jehôvah tao amin'ny Fitoerana Masina ny mpisoronabe ary rehefa nafafiny teo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izany dia nataony teo amin'ireo tandroky ny alitara volamena sy ny alitara varahina, hanadio tanteraka ny Fitoerana Masina. Rehefa "tanterany ny fampihavanana" dia nametraka ny tanany teo amin'ny osilahy velona ny mpisoronabe ka niaiky ny heloky ny Isiraely. Avy eo dia nentina tany an'efitra mba hosarahina amin'ny toby mandrakizay ilay osilahy (Lev. 16:20-22)

Nafindra tao amin'ny Fitoerana Masina ny ra mandritra ny asa fanompoana isan'andro, izay maneho ny fandraketana an-tsoratra ny fahotana (Jer. 17:1) sy ny maha-tompon'andraikitra an'Andriamanitra amin'ny fanafoanana izany tanteraka. Tamin'ny Andro Fanavotana, dia nafindra ivelan'ny Fitoerana Masina ny ra ary napetraka teo amin'ny lohan'ny osilahin'i Azazela, izay maneho an'i Satana ary manambara ny maha-tompon'andraikitra faratampony amin'ny olan'ny fahotana azy.

Nentina lavitra tany an'efitra ilay osilahy mba hananan'Andriamanitra Fitoerana Masina madio sy vahoaka madio amin'ny fiafaran'ny Andro Fanavotana. Ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, i Kristy dia manao ny asany ho antsika, tao amin'ny efitra masina aloha, ary ankehitriny, ao amin'ny efitra masina indrindra nanomboka tamin'ny taona 1844, tamin'ny fiafaran'ny 2300 andro.

Ho afaka amin'izany fitsarana lehibe izany isika noho ny amin'i Jesôsy, ilay Mpisolo antsika. Araka ny nambaran'i Ellen G. White, isika dia mahazo fanamarinana "amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory ". — IFM, t. 16.

Noho izany fahamarinana izany —izay nomena antsika— dia mampahory ny fanahintsika isika, izany hoe miala amin'ny fahotana. Midika izany fa tsy manaiky ny ratsy am-pahafinaretana isika na koa manala tsiny ny fahotantsika na mifikitra amin'izany fa mitombo ao amin'ny fahasoavana ary miaina fiainam-pahamasinana.

Inona ny hevitry ny Andro Fanavotana eo amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana izao? Nahoana izany no tokony hampisy fiovana eo amin'ny fomba fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal