Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ARAHABA, RY MPANJAKAN'NY JIOSY!

Daty
Alatsinainy 16 September 2024

Vakio ny Mar. 15:15-20. Inona no nataon'ireo miaramila tamin'i Jesôsy, ary inona no hevitr'izany?

Endri-pikapohana henjana no nampiasain'ny Rômanina mba hanomanana ny mpifatotra ho amin'ny famonoana azy ho faty. Esorina ny fitafian'ny mpifatotra, ary fatorana eo amin'ny hazo iray izy ka kapohina amin'ny karavasy hoditra izay nasiana poti-taolana na fitaratra, na vatokely sy fantsika.

Rehefa avy nokapohina i Jesôsy dia nanohy ny fanalam-baraka Azy ireo miaramila nampiandraiketina ny famonoana Azy ka nanafy Azy lamba volomparasy sy nametraka satroka tsilo teo an-dohany ary nanaraby Azy ho mpanjakan'ny Jiosy. Teo amin'ny lehilahy 200 hatramin'ny 600 teo ho eo ny andia-miaramila nanao izany.

Hitan'ny mpamaky miharihary ny toe-javatra toa maneso ao amin'izany satria Mpanjaka tokoa i Jesôsy, ary manambara izany fahamarinana izany ny teny feno fanarabiana nataon'ireo miaramila. Fakan-tahaka maneso ny fomba fiarahaban'ny miaramila ny amperora rômanina no nataon'ireto miaramila ireto: "Arahaba ry Kaisara amperora!" Nasehony tamin'izany ny fampitahany ankolaka an'i Jesôsy amin'ny amperora.

"Nikapoka" ny lohan'i Jesôsy tamin'ny volotara ireo miaramila, ary "nandrora" Azy sy "nandohalika teo anatrehany" tamin'ny fanajana tsy tena izy. Matoanteny maneho fiverimberenan'asa sy fitohizan'izany no ilazana ireo amin'ny teny grika. Araka izany, dia namerimberina nikapoka Azy sy nandrora Azy ary nandohalika tamim-panarabiana teo anatrehany izy ireo. Tamim-pahanginana tanteraka no niatrehan'i Jesôsy izany rehetra izany.

Fomba iray mahazatra ny Rômanina rehefa hamono ny mpifatotra amin'ny hazo fijaliana ny fanesorana ny fitafiany ka asainy mitondra ny hazo fijaliana mitanjaka mankeny amin'ny toerana hamonoana azy izy. Natao izany mba hanalam-baraka tanteraka ilay olona eo anatrehan'ny tany ama-monina.

Voarara teo amin'ny Jiosy anefa ny fitanjahana ampahibemaso. Ambaran'ny Mar. 15:20 fa nesorin'izy ireo ny lamba volomparasy teo Aminy ka nampitafiany Azy indray ny fitafiany. Maneho izany fa nisy fifanarahana nataon'ny Rômanina tamin'ny Jiosy tamin'io fotoana sy toerana io.

Saino ny hevitra roa samy hafa miseho eto: nataon'ireo miaramila tamim-panarabirabiana ny fandohalehana sy ny fiankohofana tamin'i Jesôsy izay nolazainy hoe Mpanjaka, kanefa i Jesôsy dia tena Mpanjaka tokoa, tsy aniny Jiosy irery fa Mpanjakan'izy ireo koa aza.

Tsy azon'ireo lehilahy ireo an-tsaina velively izay nataony. Nahoana anefa no tsy hanala tsiny azy amin'ny Andro fitsarana ny tsy fahalalany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal