Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ARAHABA, RY MPANJAKAN'NY JIOSY!

Daty
Alatsinainy 16 September 2024

Vakio ny Mar. 15:15-20. Inona no nataon'ireo miaramila tamin'i Jesôsy, ary inona no hevitr'izany?

Endri-pikapohana henjana no nampiasain'ny Rômanina mba hanomanana ny mpifatotra ho amin'ny famonoana azy ho faty. Esorina ny fitafian'ny mpifatotra, ary fatorana eo amin'ny hazo iray izy ka kapohina amin'ny karavasy hoditra izay nasiana poti-taolana na fitaratra, na vatokely sy fantsika.

Rehefa avy nokapohina i Jesôsy dia nanohy ny fanalam-baraka Azy ireo miaramila nampiandraiketina ny famonoana Azy ka nanafy Azy lamba volomparasy sy nametraka satroka tsilo teo an-dohany ary nanaraby Azy ho mpanjakan'ny Jiosy. Teo amin'ny lehilahy 200 hatramin'ny 600 teo ho eo ny andia-miaramila nanao izany.

Hitan'ny mpamaky miharihary ny toe-javatra toa maneso ao amin'izany satria Mpanjaka tokoa i Jesôsy, ary manambara izany fahamarinana izany ny teny feno fanarabiana nataon'ireo miaramila. Fakan-tahaka maneso ny fomba fiarahaban'ny miaramila ny amperora rômanina no nataon'ireto miaramila ireto: "Arahaba ry Kaisara amperora!" Nasehony tamin'izany ny fampitahany ankolaka an'i Jesôsy amin'ny amperora.

"Nikapoka" ny lohan'i Jesôsy tamin'ny volotara ireo miaramila, ary "nandrora" Azy sy "nandohalika teo anatrehany" tamin'ny fanajana tsy tena izy. Matoanteny maneho fiverimberenan'asa sy fitohizan'izany no ilazana ireo amin'ny teny grika. Araka izany, dia namerimberina nikapoka Azy sy nandrora Azy ary nandohalika tamim-panarabiana teo anatrehany izy ireo. Tamim-pahanginana tanteraka no niatrehan'i Jesôsy izany rehetra izany.

Fomba iray mahazatra ny Rômanina rehefa hamono ny mpifatotra amin'ny hazo fijaliana ny fanesorana ny fitafiany ka asainy mitondra ny hazo fijaliana mitanjaka mankeny amin'ny toerana hamonoana azy izy. Natao izany mba hanalam-baraka tanteraka ilay olona eo anatrehan'ny tany ama-monina.

Voarara teo amin'ny Jiosy anefa ny fitanjahana ampahibemaso. Ambaran'ny Mar. 15:20 fa nesorin'izy ireo ny lamba volomparasy teo Aminy ka nampitafiany Azy indray ny fitafiany. Maneho izany fa nisy fifanarahana nataon'ny Rômanina tamin'ny Jiosy tamin'io fotoana sy toerana io.

Saino ny hevitra roa samy hafa miseho eto: nataon'ireo miaramila tamim-panarabirabiana ny fandohalehana sy ny fiankohofana tamin'i Jesôsy izay nolazainy hoe Mpanjaka, kanefa i Jesôsy dia tena Mpanjaka tokoa, tsy aniny Jiosy irery fa Mpanjakan'izy ireo koa aza.

Tsy azon'ireo lehilahy ireo an-tsaina velively izay nataony. Nahoana anefa no tsy hanala tsiny azy amin'ny Andro fitsarana ny tsy fahalalany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal