Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aro ho antsika ao anatin'ny andro sarotra

Daty
Talata 23 January 2024

Vakio ny Sal. 17:7-9; Sal. 31:1-3, sy ny Sal. 91:2-7. Inona no ataon'ilay mpanao Salamo ao anatin'ny fotoan-tsarotra?

Tojo olana isan-karazany ny mpanao Salamo eto, ary mitodika amin'i Jehovah izy ao anatin'izany rehetra izany, Izay aro ho azy ao anatin'ny fahoriana, na toy inona na toy inona izany. Ny matoky an'Andriamanitra dia ny mifidy tsotra izao hanaiky an'Andriamanitra ho Tompo mpanapaka ny fiainana na inona na inona toe-java-miseho. Raha afaka mitoky amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan- tsarotra isika dia ho afaka hitoky Aminy amin'ny fotoana rehetra.

Ny fanandraman'ilay mpanao Salamo tamin'ny lasa no mahatonga azy hanao hoe: "Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako." - Sal. 91:2, ary ankehitriny izany dia manatanjaka ny finoany ny amin'ny hoavy. Antsoiny hoe "Avo Indrindra" sy "Tsitoha" Andriamanitra noho ny fahatsiarovany ny fahalehibiazan'ilay Andriamaniny tsy takatry ny sainy.

Miresaka ny amin'ny fiarovana mety ho hita ao amin'Andriamanitra koa ilay mpanao Salamo: "Fierena" ("toerana miafina" - DIEM), "aloky ny Tsitoha" (Sal. 91:1), "Fialofako sy batery fiarovana" (Sal. 91:4), ary "fonenana" (Sal. 91:9) hoy izy. Maneho toeram-pialofana avokoa ireo amin'ny kolontsain'ny mpanao Salamo. Saino ny hafanana mandoron'ny masoandro any amin'iny faritra iny, dia ho azoriao an-tsaina ny hatsaran'ny alokaloka, na tsarovy ireo fotoan'ny ady teo amin'ny tantaran'ny Isiraely dia hahafaly anao ny fiarovana entin'ny ampinga na ny batery fiarovana.

Vakio ny Sal. 17:8 sy ny Mat. 23:37. Inona ny sary an'ohatra ampiasaina eto, ary inona no ambarany?

Iray amin'ireo sary an'ohatra maneho indrindra ny fahakekezan'Andriamanitra ny hoe: "ao ambanin'ny aloky ny elatrao" (Sal. 17: 8; Sal. 57:1; Sal. 63:7). Manolotra fampaherezana sy toky io fanoharana io amin'ny fanehoana ny renivorona iray miaro ny zanany. Oharina amin'ny voromahery izay miaro ny zanany ao ambanin'ny elany ny Tompo (Eks. 19:4; Deo. 32:11), ary koa amin'ny reniakoho manangona ny zanany ao ambanin'ny elany (Mat. 23:37).

Rehefa mamely anefa ny loza ka toa tsy hitantsika ny fiarovan' Andriamanitra, dia manao ahoana ny fiatrehantsika izany? Ny fahorian- tsaintsika ve midika fa tsy miaraka amintsika eo Andriamanitra? Hazavao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal