Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

BABO TANY AMIN'NYA KOLONTSAINA VAHINY

Daty
Alahady 17 December 2023

Tsy mora velively ny mandao ny tanindrazana ho any amin'ny kolontsaina vahiny iray. Mety sarotra ho antsika amin'izao fotoana izao ny hahatakatra ny niainan'ny Jiosy izay teo ambany fitondran'ny Babilonianina aloha ary teo ambany fitondran'ny Persianina avy eo.

Tsy misy amintsika ireo, ohatra, monina any amin'ny firenena advantista ka nyampahany betsaka amin'ny foto-pinoantsika no lalàna mifehy ilay firenena. Nialoha ny nitondrana azy ireo ho babo anefa dia nonina tany amin'ny fireneny ny vahoaka jiosy, ary ny foto-pinoany no voasoratra tao amin'ny lalàna nifehy ny fireneny.

Amin'ny lafiny iray, azo eritreretina fa nanamora ny fahatokiana tamin' Andriamanitra izany. Ho mora manao ahoana tokoa moa ny fitandremana ny Sabata andro fahafito raha ao anatin'ny lalana mifchy ny firenena ny fitandremana ny Sabata andro fahafito?

Etsy ankilany, ny tantara masina dia naneho fa na inona na inona lalam-pirenena, na dia mifanaraka amin'ny finoana aza izany, ny fahatokiana dia tokony ho avy amin'ny fo, avy ao anaty, raha tsy izany dia hanaraka izany ny fahotana sy ny fihemorana ary ny faharavana.

"Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany" - Isa. 29:13.

Ho an'ireo vonona ny hijoro ho mahatoky kosa, na dia ny tontolo ratsy indrindra aza dia tsy hanakana azy tsy hankato.

Vakio ny Dan. 1:1-12, Dan. 3:1-12, sy ny Dan. 6:1-9. Na dia manokana aza ny toe-javatra tsirairay, inona no ambaran'ireo tantara ireo momba ny fihaikana mety hatrehin'ny vahoakan Andriamanitra rehefa monina any amin'ny kolontsaina hafa izy?

Na iza isika na iza, na aiza na aiza ny toerana misy antsika, dia tafiditra ao amin'ny tontolo izay mety ho fihaikana lehibe ho an'ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona isika, na noho ny amin'ny lalàna izany na noho ny amin'ny kolontsaina, na ireo roa ireo. Ireo fitantarana ao amin'ny Daniela, na dia "tsara fiafara" hatrany aza, dia maneho fa afaka mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olona na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra aza. Na dia ho ratsy fiafara aza ireo tantara ireo dia azo antoka fa ho nanao izay tokony hatao ireo lehilahy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal