Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fantaro Ireo Mpanao Salamo

Daty
Alatsinainy 01 January 2024

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fandaminana ny fotoana nandritra ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely i Davida mpanjaka izay manana ny anarany misoratra eo amin'ny lohatenin'ny ankamaroan'ny Salamo. 'Mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely no iantsoana azy (2 Sam. 23:1). Salamo samihafa no ambaran’ny Testamenta Vaovao fa nosoratan'i Davida (Mat. 22:43-45; Asa. 2:25-29,34,35; Asa. 4:25; Rôm. 4:6-8). Salamo marobe no nosoratan’ireo mpihira tao amin’ny tempoly izay Levita ihany koa: ohatra amin’izany ny Sal. 50 sy ny Sal. 73-83 nosoratan'i Asafa; ny Sal. 42, ny Sal. 44-47, ny Sal. 49, ny Sal. 84, ny Sal. 85 ary ny Sal. 88 izay nosoratan’ireo zanak’i Kora; ny Sal. 88 nosoratan’i Hemana Ezrahita. Ankoatra ireo, dia nanoratra Salamo koa i Sôlômôna (Sal. 72 sy Sal. 127) sy i Mosesy (Sal. 90).

Vakio ny Sal. 25:1-5; Sal. 42:1; Sal. 75:1; Sal. 77:1; Sal. 84:1,2; Sal. 88:1-3 ary ny Sal. 89:1. Inona no ambaran'ireo Salamo ireo momba ny fanandramana nolalovan’ireo mpanoratra azy?

Ny Fanahy Masina no nanome tsindrimandry ireo mpanao Salamo sy nampiasa ny talentan’izy ireo ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiarahamonin’ny mpino nisy azy. Olona nanana fanoloran-tena marina ny mpanao Salamo ary nanana finoana lalina kanefa tratry ny fahakiviana sy ny fakam-panahy, tahaka antsika ihany. Na efa ela aza no nanoratana ny Salamo dia azo antoka fa maneho taratra ny sasany amin’ireo fanandramana iainantsika ankehitriny izany.

“Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao; fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita" – Sal. 88:2,3. Fitalahoan’ny fanahy amin'izao taonjato faha-21 izao izany, tahaka izay nataon’ny olona 3.000 taona lasa izay.

Miresaka ny amin’ny toe-java-tsarotra ny mpanao Salamo sasany; ny sasany kosa mifantoka amin’ny fifaliana. Nitalaho tamin’Andriamanitra ireo mpanao Salamo mba hamonjy azy, ary niaina ny fanandraman'ny fahasoavana izay tsy mendrika azy izy ireo. Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo noho ny Fahatokiany sy ny Fitiavany, ary nambarany ny fanoloran-tenany tsy mety sasatra ho Azy. Araka izany, ny Salamo dia vavolombelon’ny fanavotan’Andriamanitra sy famantarana maneho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanantenana. Mampita ny teny fikasan’Andriamanitra amin’izay rehetra mandray amin’ny alalan’ny finoana ny fanomezana atolony – ny famelan-keloka sy ny fiainam-baovao – ny Salamo. Eo andanin’izay anefa, dia tsy manao izay hanarontsaronana na hanafenana, na koa hanamaivanana ny zava-tsarotra sy ny fahoriana manjaka eto amin'ny tontolo lavo izany.

Ahoana no ahazoantsika fanantenana sy fampaherezana amin'ny fahafantarana fa na ny olona mahatoky tahaka ny mpanao Salamo aza dia nitolona tamin'ny zavalra izay atiehintsika ankehitriny koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal