Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 12 January 2024

Vakio ny Sal. 42:8 sy ny boky "Fanabeazona laistianina". toko faha-17: "Tononkalo sy hira". Inona no ifandraisan'ny vavaka sy ny hira araka ireo lahatsoratra avy amin'ny tsindrimandrin' Andriamanitra ireo?

Manazava i Ellen G. White fa ny salamo fibebahana nataon's Davida (ohatra, ny Sal. 51) dia teny ambaran'ny fanahiny sy vavaka ataony izay maneho ny tena atao hoe: alahelo noho ny ota (DHK, it 25-28). Mandrisika ny mpino hitadidy andininy maro avy ao amin'ny Salamo i Ellen White mba hahatsapan izy ireo kokoa ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny fiainany, sy hanaovany tahaka ani Jesosy Izay nanandratra ny feony tamin'ny fanaovana salamo rehefa tojo fakam-panahy sy tebiteby mampahory. Hoy koa i Ellen White: "Impiry no efa niverimberina izany tantara izany teo amin'ny fiainana ara-panahy! Impiry ireo tonon-kira masina no efa nahatonga fibebahana sy finoana, fanantenana sy fitiavana ary fifaliana tao amin'ny fanahy! (...) Maro amin'ny hira tokoa mantsy no vavaka."-FK, tt. 180,186.

Rehefa ataontsika hira sy vavaka ny Salamo dia mifindra ao anatintsika ny fikirizana, ny fahasahiana, ny herim-po, ary ny fanantenan'ny mpanao salamo Mampahery antsika hanohy ny diantsika ara-panahy izany ary manome toky antsika fa tsy irery tsy akory isika. Misy olona sasany efa tao anatin'ny haizina, tahaka antsika, kanefa nivoaka ho mpandresy noho ny fahasoavan Andriamanitra. Manome topy maso antsika koa ny Salamo momba ny asa fanelanelanana lehibe ataon Kristy ho antsika; velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika mantsy Izy (Heb. 7:25).

Ny fampiasana ny Salamo ao anatin'ny vavaka sy ny fanompoam-pivavahana dia mahatonga ny mpianakavin'ny finoana hahafantatra ny amin'ny fanandraman'ny olombelona ankapobeny, ary mampianatra ny mpivavaka hihevitra ireo lafiny isan- karazany amin'izany fanandramana izany ao anatin'ny fanompoam-pivavahana Hira sy vavaka avy amin'Andriamanitra sy ny olombelona ny Salamo. Vokatry ny fampidirana tsy tapaka ny Salamo ao anatin'ny vavaka dia manjary mahalala ny sitrapon Andriamanitra sy ny fahasoavany manasitrana ny mpino.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Nahoana no tsy ny vavaka tora-po (na vavaka tsy misy tari-dalana) ihany no fomba fivavaka? Ahoana no mety hahazoanhsika tombontsoa avy amin'ny Salamo (Izay vavaka ara-Baiboly) eo amin'ny fainam- pivavahantsika?
  2. Manatsara ny vavaka lombonantsika amin'ny besinimaro ny Salamo. amin'ny fomba ahoana? Mifanakaloza hevitra mikasika ireo fombatsotra azon'ny flangonanao andrisihana ny fampiasana ny Salamo mandritra ny fanompoam-pivavahana?
  3. Inona no ambaran'ny Salamo momba ny hasarotry ny dlan'ny mpino sy ny herin'Andriamanitra manasitrana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal