Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 12 January 2024

Vakio ny Sal. 42:8 sy ny boky "Fanabeazona laistianina". toko faha-17: "Tononkalo sy hira". Inona no ifandraisan'ny vavaka sy ny hira araka ireo lahatsoratra avy amin'ny tsindrimandrin' Andriamanitra ireo?

Manazava i Ellen G. White fa ny salamo fibebahana nataon's Davida (ohatra, ny Sal. 51) dia teny ambaran'ny fanahiny sy vavaka ataony izay maneho ny tena atao hoe: alahelo noho ny ota (DHK, it 25-28). Mandrisika ny mpino hitadidy andininy maro avy ao amin'ny Salamo i Ellen White mba hahatsapan izy ireo kokoa ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny fiainany, sy hanaovany tahaka ani Jesosy Izay nanandratra ny feony tamin'ny fanaovana salamo rehefa tojo fakam-panahy sy tebiteby mampahory. Hoy koa i Ellen White: "Impiry no efa niverimberina izany tantara izany teo amin'ny fiainana ara-panahy! Impiry ireo tonon-kira masina no efa nahatonga fibebahana sy finoana, fanantenana sy fitiavana ary fifaliana tao amin'ny fanahy! (...) Maro amin'ny hira tokoa mantsy no vavaka."-FK, tt. 180,186.

Rehefa ataontsika hira sy vavaka ny Salamo dia mifindra ao anatintsika ny fikirizana, ny fahasahiana, ny herim-po, ary ny fanantenan'ny mpanao salamo Mampahery antsika hanohy ny diantsika ara-panahy izany ary manome toky antsika fa tsy irery tsy akory isika. Misy olona sasany efa tao anatin'ny haizina, tahaka antsika, kanefa nivoaka ho mpandresy noho ny fahasoavan Andriamanitra. Manome topy maso antsika koa ny Salamo momba ny asa fanelanelanana lehibe ataon Kristy ho antsika; velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika mantsy Izy (Heb. 7:25).

Ny fampiasana ny Salamo ao anatin'ny vavaka sy ny fanompoam-pivavahana dia mahatonga ny mpianakavin'ny finoana hahafantatra ny amin'ny fanandraman'ny olombelona ankapobeny, ary mampianatra ny mpivavaka hihevitra ireo lafiny isan- karazany amin'izany fanandramana izany ao anatin'ny fanompoam-pivavahana Hira sy vavaka avy amin'Andriamanitra sy ny olombelona ny Salamo. Vokatry ny fampidirana tsy tapaka ny Salamo ao anatin'ny vavaka dia manjary mahalala ny sitrapon Andriamanitra sy ny fahasoavany manasitrana ny mpino.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Nahoana no tsy ny vavaka tora-po (na vavaka tsy misy tari-dalana) ihany no fomba fivavaka? Ahoana no mety hahazoanhsika tombontsoa avy amin'ny Salamo (Izay vavaka ara-Baiboly) eo amin'ny fainam- pivavahantsika?
  2. Manatsara ny vavaka lombonantsika amin'ny besinimaro ny Salamo. amin'ny fomba ahoana? Mifanakaloza hevitra mikasika ireo fombatsotra azon'ny flangonanao andrisihana ny fampiasana ny Salamo mandritra ny fanompoam-pivavahana?
  3. Inona no ambaran'ny Salamo momba ny hasarotry ny dlan'ny mpino sy ny herin'Andriamanitra manasitrana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal