Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 26 January 2024

Vakio ny PM, toko faha-18, "Ilay tolona mamatonalina". Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny fanandraman'i Jakoba momba ny fikirizana mivavaka sy ny fitokiana tanteraka amin'Andriamanitra?

Manatanjaka ny finoantsika an'Andriamanitra, Izay Fiarovana azo antoka ho an'ireo izay mametraka ny fiainany eo am-pelatanany mahery, ny Salamo. "Hanao zava-dehibe amin'izay miankina Aminy Andriamanitra. Ho avy tokoa hanampy ireo izay manolo-tena manontolo Aminy sy mankato Azy Izy. Ny antony tsy maha-ampy ny herin'ny olona, dia noho izy matoky tena loatra, fa tsy mamela ny Tompo hampiseho ny heriny."- PM, t. 491 (ed 2014).

Mety hanahirana tokoa anefa ny Salamo sasany rehefa tsy mifanaraka amin'ny toe-javatra iainantsika ankehitriny ny toky omena ao. Amin'ny fotoana toy izany dia tsotra ihany: aoka isika hianatra hatoky ny fahatsaran'Andriamanitra, izay naseho tamin-kery indrindra teo amin'ny hazo fijaliana.

Indraindray koa mety hisy hampiasa ny Salamo sasany ho famelomana fanantenana sandoka. Ny valin-teny nasetrin'i Jesôsy ny fampiasan'i Satana ny Sal. 91:11,12 tamin'ny fomba diso dia maneho fa tsy azo afangaro ny fitokiana amin'Andriamanitra sy ny fakàna fanahy an'Andriamanitra (Mat. 4:5-7) na ny fahasahiam-poana mangataka amin'Andriamanitra zavatra mifanohitra amin'ny sitrapony.

"Ny fandresena lehibe azon'ny Fiangonana, na azon'ny Kristianina tsirairay avy, dia tsy mba vokatry ny talenta, na ny fitaizana, na ny harena, na ny tombontsoa avy amin'olombelona tsy akory, fa vokatry ny fivavahana mangina izay natao teo anatrehan'Andriamanitra, tamim-pinoana miredareda sady tsy azo hozongozonina izay mamihina mafy ny herin'ny Tsitoha." - PM, t. 185.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valin'ny fanontaniana farany ao amin'ny lesona Talata, momba ny fitokiana amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy rehefa tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Ahoana no tokony hahatakarana ireny zava- tsarotra ireny? Ahoana no mahatonga izany hitranga amin'ny olona na dia eo aza ireo teny fikasana mahafinaritra omen'ny Salamo momba ny fiarovan'Andriamanitra? Saino koa ity: Moa ilay mpanao Salamo nanoratra ireo teny fikasana mahafinaritra ireo ve tsy mba nandalo fotoan-tsarotra na nahalala olona mahatoky tra-pahoriana koa?
  2. Ahoana no hahaizantsika mitoky tanteraka amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga (ohatra, Sal. 91:14; Sal. 143:8,10; Sal. 145:18-20)? Inona no mety hahatonga antsika hanary toky? Nahoana no tena ilaina ny matoky an'Andriamanitra mandritra ny fotoam-piadanana mba hahaizantsika mitoky Aminy amin'ny fotoam-pahoriana koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal