Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 26 January 2024

Vakio ny PM, toko faha-18, "Ilay tolona mamatonalina". Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny fanandraman'i Jakoba momba ny fikirizana mivavaka sy ny fitokiana tanteraka amin'Andriamanitra?

Manatanjaka ny finoantsika an'Andriamanitra, Izay Fiarovana azo antoka ho an'ireo izay mametraka ny fiainany eo am-pelatanany mahery, ny Salamo. "Hanao zava-dehibe amin'izay miankina Aminy Andriamanitra. Ho avy tokoa hanampy ireo izay manolo-tena manontolo Aminy sy mankato Azy Izy. Ny antony tsy maha-ampy ny herin'ny olona, dia noho izy matoky tena loatra, fa tsy mamela ny Tompo hampiseho ny heriny."- PM, t. 491 (ed 2014).

Mety hanahirana tokoa anefa ny Salamo sasany rehefa tsy mifanaraka amin'ny toe-javatra iainantsika ankehitriny ny toky omena ao. Amin'ny fotoana toy izany dia tsotra ihany: aoka isika hianatra hatoky ny fahatsaran'Andriamanitra, izay naseho tamin-kery indrindra teo amin'ny hazo fijaliana.

Indraindray koa mety hisy hampiasa ny Salamo sasany ho famelomana fanantenana sandoka. Ny valin-teny nasetrin'i Jesôsy ny fampiasan'i Satana ny Sal. 91:11,12 tamin'ny fomba diso dia maneho fa tsy azo afangaro ny fitokiana amin'Andriamanitra sy ny fakàna fanahy an'Andriamanitra (Mat. 4:5-7) na ny fahasahiam-poana mangataka amin'Andriamanitra zavatra mifanohitra amin'ny sitrapony.

"Ny fandresena lehibe azon'ny Fiangonana, na azon'ny Kristianina tsirairay avy, dia tsy mba vokatry ny talenta, na ny fitaizana, na ny harena, na ny tombontsoa avy amin'olombelona tsy akory, fa vokatry ny fivavahana mangina izay natao teo anatrehan'Andriamanitra, tamim-pinoana miredareda sady tsy azo hozongozonina izay mamihina mafy ny herin'ny Tsitoha." - PM, t. 185.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valin'ny fanontaniana farany ao amin'ny lesona Talata, momba ny fitokiana amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy rehefa tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Ahoana no tokony hahatakarana ireny zava- tsarotra ireny? Ahoana no mahatonga izany hitranga amin'ny olona na dia eo aza ireo teny fikasana mahafinaritra omen'ny Salamo momba ny fiarovan'Andriamanitra? Saino koa ity: Moa ilay mpanao Salamo nanoratra ireo teny fikasana mahafinaritra ireo ve tsy mba nandalo fotoan-tsarotra na nahalala olona mahatoky tra-pahoriana koa?
  2. Ahoana no hahaizantsika mitoky tanteraka amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga (ohatra, Sal. 91:14; Sal. 143:8,10; Sal. 145:18-20)? Inona no mety hahatonga antsika hanary toky? Nahoana no tena ilaina ny matoky an'Andriamanitra mandritra ny fotoam-piadanana mba hahaizantsika mitoky Aminy amin'ny fotoam-pahoriana koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal