Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 01 March 2024

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra", toko 1 ao amin'ny IFM. Sady vavaka ataon'i Kristy ny Salamo no vavaka momba an'i Kristy. Ao amin'ny Salamo no ahitana fanambarana miavaka momba Azy sy ny asa fanavotana nataony amin'ny maha llay "Amintsika Andriamanitra" Azy (Mat. 1:23). I Jesôsy llay Andriamanitra "Amintsika" ao amin'ny vavaka mitolona amin'ny fahatsapana ho nafoy sy ny fahoriana. Izy ilay "Amintsika Andriamanitra" ao anatin'ny fitalahoana rariny sy fanafahana. Jesosy ilay Andriamanitra "Amintsika" izay tsy mahafoy antsika ho amin'ny fahaverezana sy ny fahakiviana fa manoro antsika ny lalana mankamin'ny finoana mandresy. Tonga Mpisorona mandrakizay sy Mpanjaka noho ny amintsika Izy mba hamonjena antsika amin'ny fanamelohana mandrakizain'ny fahotana. Ao amin'i Kristy, ilay Mpanjaka tonga lafatra amin'ny taranak'i Davida, no ahatanterahan'ny teny fikasana miezinezina rehetra mikasika ny famonjena (2 Kor. 1:20).

Feno fahendrena tokoa ny fomba amelabelaran'i Ellen G. White ny firaisan'i Kristy amin'ny taranak'olombelona: "Tamin'ny alalan'ny maha-olombelona Azy dia nandray ny taranak'olombelona Kristy; amin'ny alalan'ny maha-Andriamanitra Azy, dia mamikitra ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. Amin'ny maha-Zanak'olona Azy, dia nanome oha-pankatoavana antsika Izy, amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy, dia manome antsika hery hoenti-mankato Azy Izy. Kristy no niteny tamin'i Mosesy avy tao amin'ilay roimemy teo amin'ny tendrombohitra Horeba ka nanao hoe: 'IZAHO IZAY IZY... Izao no lazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho aty aminareo.' (Eks. 3:14). lo no antoky ny fanafahana ny Isiraely. Toy izany koa rehefa tonga teo amin'ny 'fitoviana tamin'ny olona Izy', dia nambarany ny tenany fa ilay IZY. Ilay Zaza tany Betlehema, llay Mpamonjy malemy fanahy sady tsy miavona am-po no Andriamanitra 'naseho teo amin'ny nofo' (1 Tim. 3:16). Ary hoy Izy amintsika: 'IZAHO no Mpiandry tsara.' 'IZAHO no mofon'aina.' 'IZAHO no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.' 'Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.' (Jao. 10:11; 6:51; 14:6; Mat. 28:18). IZAHO no antoky ny teny fikasana rehetra. IZAHO, aza matahotra."- IFM, t. 15.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Ahoana no nanehoan'Andriamanitra ny fahatokiany tsy mihozongozona amin'ny Fanekeny na eo aza ny tsy fahatokian'ny olona? Inona ny fanomezan-toky entin'izany ho an'ireo zanak'Andriamanitra miatrika tolona ankehitriny?
  2. Ahoana no anamafisan'ny fisoronana miavaka sy ambony indrindra ataon'i Kristy araka ny fanaon'i Melkizedeka ny maha-azo antoka ny famonjena ny vahoakan' Andriamanitra?
  3. Asehon'ny Filazantsara fa teny fikasana maro momba ny Mesia ao amin'ny Salamo no tanteraka ao amin'i Jesôsy Kristy. Ahoana no anehoan'izany ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra? Nahoana isika no tokony hanohitra ny fihetseham-po rehetra izay mitady hampihena ny fitokiantsika amin'ny tenin'Andriamanitra?
  4. Inona ny fampiononana lehibe azontsika tsoahina avy amin'ny tenin'i Kristy manao hoe: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an- tany."- Mat. 28:18? Ahoana no ampiharantsika io teny fikasana io eo amin'ny fanandramantsika manokana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal