Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY :

Daty
Zoma 19 April 2024

"Io toe-tsaina feno fankahalana syfanoherana ny fahamarinana io ihany no nanetsika ny fahavalon'Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra, ary toe-tsaina mahatoky sy miambina no angatahin'Andriamanitra kosa mba hananan'ny mpanompony. Azo ampiharina amin'ireo mpanaaraka an'i Kristy aty amin'ny andro farany ny teny nataony tamin'ireo mpianany tamin'ny voalohany manao hoe: 'Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena' — Mar. 13:37." - HM, t. 57.

Any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, indrindra fa any amin'ny toerana izay ahazoan'ny olona malalaka ny Baiboly, dia nampiasa fomba hafa i Satana hampihenana ny herin'ny Baiboly. Fomba iray nampiasainy, izay nahomby tokoa, ny fikarohana ara-tsiansa, eny, na ny fandalinana ny Baiboly aza, izay mametraka firehana izay, raha ekena, dia hanozongozona ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ohatra, na dia voalza aza fa 500 taona mahery TIK no nisian'ny bokin'i Daniela dia manam-pahaizana maro momba ny Baiboly no milaza ny fisian'izany ho taty amin'ny antsasaky ny taonjato faharoa TIK. Tohanan'izy ireo fa tamin'io vanim-potoana io no nanoratana izany, satria raha 500 taona mahery TIK no nanoratana azy, dia midika izany fa marina amin'ny tsipiriany loatra ny faminaniany rehetra momba ny hoavy, ary tena mpaminany manokana avy amin'Andriamanitra tokoa i Daniela, kanefa tsy mitombina velively izany raha ny fandinihany azy. Taonjato maro taorian'ilay daty efa voalaza, noho izany, no nolazain'izy ireo fa nanoratana ny bokin'i Daniela. Indrisy fa anisan'ireo lainga maro ampidirin'ny fandalinana moderina ao an-tsaintsika io lainga momba ny Baiboly io. Ary ny tena mampalahelo, dia olona maro no manaiky izany fahadisoana izany satria manam-pahaizana momba ny Baiboly no mampianatra izany. Tsy mahagaga raha mampitandrina antsika i Paoly hoe: "Fantaro ny zavatra rehetra;  mafy izay tsara" - 1 Tes. 5:21.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Jereo ilay tenin'ny teôlôjianina sy Kristianina ao amin'ny fizarana Talata ka saino izao manaraka izao: Ahoana no ampiasan'i Satana fomba fiasa toy izany koa ankehitriny mba hanamaivanana ny fahefan'ny Soratra Masina, amin'ny fomba misoko miadana?
2. Inona ireo fiarovana lehibe indrindra ho antsika mba tsy hanao dika vilana ny Tenin'Andriamanitra?
3. Ny tena ezahin'i Satana atao ao annin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy dia ny manaratsy ny toetran'Andriamanitra sy ny maneho Azy ho mpanao didy jadona, lozabe sy tsy manam-pitiavana. Amin'ny fomba ahoana no anaovan'ilay ratsy izany, ary inona no asetrin'Andriamanitra ireo laingany?
4.Hoy ny Apôstôly Paoly: "ny famoahan-kevitry ny faminaniana (...) dia tsy efan'ny fisainan’ny olona fotsiny ihany" - 2 Pet. 1:20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy aolantsika ny hevitry ny Soratra Masina mba hanatrarana ny tanjontsika manokana? Ahoana no mahatonga izany ho mora atao tsy araka izay iheverantsika azy, ary nahoana isika no tokony hitandrina ny amin'izany? Ahoana no ahafahantsika miaro tena tsy ho latsaka amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal