Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 17 May 2024

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ireo faminanian'ny 70 herinandro sy ny 2300 andro. Manomboka amin'ny 457 TIK ireo faminaniana ireo ary manambara mialoha ireo toe-javatra manodidina ny "Mesia Andriana", izay iorenan'ny faminanian'ny 70 herinandro. Araka io fototra mafy orina io dia mifarana amin'ny taona 1844 ny faminanian'ny 2300 andro.

                                                   [ 2300 andro (2300 taona) ]

457 TIK <.. 70 herinandro /490 taona ..> 34 TrK <…(1810 taona )...> 1844 TrK                                              
"Tahaka ireo mpianatra voalohany, dia tsy takatr'i Miller sy ireo namany tanteraka ny fiantraikan’ny hafatra nentiny. Nanakana azy tsy ho tonga teo amin'ny fanazavana marina ny zava-dehibe iray tao amin'ny faminaniana ireo hevi-diso efa tafaorina ela tao amin'ny fiangonana. Noho izany, na dia nitory ny hafatra izay nankinin'Andriamanitra taminy hotoriny amin'izao tontolo izao aza izy dia niharan'ny fahadisoam-panantenana noho ny fandraisana diso ny heviny." — HM, t. 365.

"Nefa nahatanteraka ny fikasany tsara Andriamanitra tamin'ny namelany ny fitoriana ny hafatra fampiomanana ho amin'ny fitsarana araka izay niseho. Akaiky ilay andro lehibe, ary noho ny fitondran'Andriamanitra dia nosedraina ny vahoaka momba ny fotoan'andro voafaritra tsara, mba hanehoana taminy izay tao am-pony io hafatra io dia natao hisedrana ny fiangonana sy hanadiovana azy. Voatarika izy hahita ny tena nametrahany ny fitiavany, na teo amin'ity izao tontolo izao ity na teo amin'i Kristy sy ny lanitra. Nilaza ho tia ny Mpamonjy izy; ankehitriny izy dia hanaporofo izany fitiavany izany. Moa ve vonona ny hahafoy ny fanantenany sy ny hambom-pony momba an'izao tontolo izao izy ka handray amim-pifaliana ny fiavian'ny Tompony? lo hafatra io dia natao mba hahatonga azy hahafantatra marina ny tena toetrany eo amin'ny ara-panahy; nalefa izany noho ny famindram-po mba hanainga azy hitady ny Tompo amim-pibebahana sy amim-panetren-tena." — HM, t. 367.  

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. lnona avy ireo lesona azontsika raisina avy amin'ny fanandramana niainan'i William Miller? Odian'Andriamanitra tsy hita ve ny fahadisoan-kevitsika indraindray.   
2. Nahoana no tena manan-danja ny fahatakarana ny Dan. 9:24-27 amin'ny fanehoana ny fahamarinan'ny Baiboly sy ny maha-Andriamanitra an'i Kristy?   
3. lnona no ilàna ny fahatakarana ny faminaniana ao anatin'ny drafi-pamonjena? Nahoana no zava-dehibe tokoa eo amin'ny drafitr'Andriamanitra ny faminaniana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal